• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Vaovao

Tatitra momba ny hasambarana : Laharana faha-123 amin’ireo firenena 143 i Madagasikara

21/03/2024 13:01 © Moov.Mg

Nivoaka omaly alarobia 20 martsa ny tatitra momba ny fahasambarana maneran-tany, izay iarahan’ny Firenena Mikambana mamoaka amin’ny Gallup, orinasa amerikanina miompana amin’ny antontan’isa maha-olona, sy ny oniversiten’i Oxford ao Angletera. Hita tao anatin’izany fa tsy isan’ireo vahoaka sambatra ny Malagasy, raha mitaha amin’ireo hafa maneran-tany.

Sambatra ireo any Eoropa avaratra

Araka ity tatitra momba ny fahasambarana maneran-tany ity, dia ireo firenena ao Eoropa avaratra no sambatra indrindra maneran-tany. Eo amin’ny laharana voalohany mantsy no misy an’i Finlande ary efa fito taona izao no nitazonany io toerana io. Manaraka azy eo i Danemark, fahatelo i Islande ary faha-4 i Suède. Any amin’ny laharana farany kosa dia ahitana an’i Afghanistan. Firenena 143 isa no nanaovana ny fanadihadiana. Nanomboka tamin’ny taona 2012 no namoahana azy ity, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Firenena Mikambana ny hametrahana ny 20 martsa ho andro iraisam-pirenena ho an’ny hasambarana. Nampiavaka ity tatitra indray mitoraka ity ny fisian’ny tatitra momba ny hasambarana, arakaraky ny taonan’ny mponina isaky ny firenena. Nivoitra, vokatr’izany, fa maro kokoa ny tanora no tsy mahatsapa fahasambarana, raha mitaha amin’ireo zokiolona.

Mason-tsivana 6

I Madagasikara manokana dia mitana ny laharana faha-123, izany hoe : firenena 20 isa sisa no any aoriany, amin’ireo firenena maherin’ny 140 maneran-tany. Araka izany, isan’ireo manana mponina tsy sambatra i Madagasikara. Eo amin’ireo tanora latsaky ny 30 taona, dia eo amin’ny laharana faha-124 i Madagasikara, fa mba tafakatra eo amin’ny laharana faha-109 kosa isika, eo amin’ny laharan’ireo zokiolona 60 taona no ho mihoatra. Araka izany, ireo tanora no tena tsy mahatsapa hasambarana eto Madagasikara, raha ity tatitra ity no jerena. Mason-tsivana 6 no nahafahana namoaka izao filaharana izao : ny tohana ara-tsosialy, ny fari-piainana, ny fahasalamana, ny fahatsapana fahafahana, ny fahalalahan-tanana ary ny kolikoly.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo