• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mjm
Image
Vaovao

Fonjaben'i Morondava : Hamafisina ny fampiofanana ireo voafonja, hitarina ny Tobim-pamokarana

15/04/2024 11:25 © Moov

Nitsidika ny fonjaben'i Morondava ny ekipan'ny Ministeran'ny fitsarana, notarihin'ny Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny zoma 12 sy sabotsy 13 aprily lasa teo.

Fampiofanana

Anisan'ny tanjon'ny Fandraharahana ny fonja ny fanajana ny zon'olombelona sy ny fanarenana ireo voafonja. Nambaran'ny Minisitra tamin'izany, fa tsy maintsy hajaina ny zon'olombelona eo anivon'ny fonja, ka rehefa miverina eny anivon'ny fiarahamonina izy ireo dia hanana ho avy mamiratra indray amin'ny alalan'ny asa fivelomany avy, vokatr'ireo fiofanana narahina.
Misy ireo vehivavy voafonja manana talenta amin'ny fandrariana sy fanaovana taovolo sy sakafo, ary efa misy ny vokatra efa vitan'izy ireo tamin'ny Rary. Hatreto anefa, hita fa tsy ampy izay fanofanana azy ireo izay ka mila hamafisina, raha ny nomarihan'ny Minisitra. Horaisina ny fepetra ka hojerena haingana ny mpampiofana, izay hiaraha-miasa amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Hovatsiana fitaovana ihany koa ny fonja ao Morondava manampy izany.

Fambolena

Ny tombim-pamokaran'ny fonjaben'ny Morondava no tena nifantohan'ny ekipan'ny Ministeran'ny Fitsarana ny sabotsy 13 aprily. 14ha izao no voly vary misy ao an-toerana ka manampy betsaka amin'ny famatsiana ny sakafon'ireo voafonja izany. Kasaina ny hanitatra ny toerana fambolena, sady hampiasa ny tany fambolena na tsy fotoan'ny fanaovam-bary aza. Azo atao tsara ohatra ny mamboly Lojy.
Ny tena tanjona moa dia ny hahazoana vokatra mandavan-taona, ka mba ho ampy sy tsara hatrany ny sakafon'ireo voafonja.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo