• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Sekoly ambonin'ny Zandarimariam-pirenena Moramanga : Nahazo mpitarika vaovao

15/04/2024 21:43 © Moov

Lanonana ara-miaramila lehibe no tontosa teo anivon'ny Sekoly ambonin'ny Zandarimariam-pirenena Moramanga androany alatsinainy 15 aprily 2024.

Tontosa soa aman-tsara ny lanonana amindrana andraikitra teo amin'ny "Général de brigade" HERINIAINA RABEMANANJARA sy ny "Général de brigade" vaovao Josh RABEMANANTASOA. Ity farany araka izany no hitondra ny Kaomandin'ny sekoly ambonin'ny Zandarimariam-pirenena Moramanga. Nahavory miaramila sy manampahefana sivily maro ity lanonana ity. Tonga nanotrona tany an-toerana ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan'ny Antenimierandoholona. Nisy ny fanolorana mari-pahatsiarovana izay apetraka ao amin'ny Mozean'ny Zandarmaria. Marihana fa hisy ny fanatsarana io Mozea io, noho ny tohana ara-bola izay natolotry ny Filohan'ny Antenimierandoholona

Mombamomba ny Sekoly

Ny Ecole Supérieure de la Gendarmerie Nationale (ESGN) na Sekoly ambonin'ny Zandarimariam-pirenena ao Moramanga. Araka izany anarany izany dia manofana ireo tanora ho lasa zandary io toeram-piofanana io. Mandray anjara hatrany amin'ny matso lehibe eo Mahamasina isaky ny 26 jona sy ireo lanonana ara-miaramila lehibe ireo mpianatra. Anisan'ny mampiavaka ny ESGN ny fananany ny "Mozean'ny Zandarimaria" izay notokanan'ny filoham-pirenena Malagasy voalohany, Philibert Tsiranana, sy ilay kolonely frantsay antsoina hoe Albert Belloc. Ahitana karazana fitaovam-piadiana, sary sy takelaka misy soratra ao. Ao an-toerana ihany koa ilay fiara Peugeot 404 miloko mainty an'ny Colonel Ratsimandrava.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo