• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fikambanam-behivavy RMFI : Te hitondra fiantraika tsara eo anivon’ny fiarahamonina

16/04/2024 12:36 © Moov.Mg

Iray amin’ireo voatonona ho isan’ireo mety hahazo ny loka ao anatin’ny sokajy « Femme engagée » i Faniry Hantarinivo, filohan’ny Réseau Mondial des Femmes d’Impact (RMFI) eto Madagasikara.

Sehatra marolafy

Fikambanana niforona tany Bénin, ary ankehitriny dia ivondronan’ny vehivavy avy amin’ny firenena 21 aty Afrika, Eoropa ary Azia, ny RMFI. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 2023 no nananganana azy teto Madagasikara. Misy 9 vavy izy ireo no mpanorina sady mpikambana ao anatiny amin’izao fotoana izao. Tanjona amin’ny nananganana azy ny hifandraisan’ny vehivavy samy vehivavy miezaka mitondra fanatsarana sy fiantraika tsara eo anivon’ny fiarahamonina misy azy. Avy amin’ny sehatra marolafy ireo mpikambana : manam-pahaizana amin’ny fandraharaharahana, mpanao gazety, mpisehatra amin’ny serasera, « styliste », mpiasam-panjakana… Fifampizarana no tena asa ifotoran’ny RMFI, na ho an’ny eto an-toerana, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ao anatin’izany dia ireo samy mpikambana ihany no mifampizara traikefa amin’ny lohahevitra maro isan-karazany. Ny fahafahana mifandray tsy tapaka, amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina, no isan’ny tombony ananan’ireo mpikambana ao anatin’ny RMFI, araka ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo

Fihaonambe voalohany

Mikarakara fiofanana ho an’ny besinimaro ihany koa anefa ny RMFI Madagascar, ka isan’ny efa nozarain’izy ireo, ohatra, ny momba ny fandraharahana miainga amin’ny 0 Ariary. Vao tsy ela koa izay no napetraka tany Ambositra, ny klioba ho an’ny tanora mipaka (jeune d’impact), nomena ny anarana hoe : « Trouve ta mission de vie », tadiavo ny antom-pisianao eto ambonin’ny tany. Famelabelaran-kevitra sy hetsika isan-karazany hiarahana amin’ireo tanoran’Ambositra no hotanterahina ao anatin’izany. Iarahan’ny RMFI Madagascar miasa amin’ny Alliance Française any an-toerana ity tetikasa ity. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena moa dia misy foana ny hetsika, araka ny fampahafantarana nataon’i Faniry Hantarinivo. Ny goavana indrindra izao dia ny amin’ny 24 hatramin’ny 25 may izao, izay hanatanterahan’ny RMFI ny fihaonambeny voalohany, Sommet International du Réseau Mondial des Femmes d’Impact (SIRMFI). Any Cotonou Bénin no hanatanterahana izany.

Vehivavy mendrika

Isan’ny hanamarika ity SIRMFI ity ny fisafidianana ireo vehivavy mendrika, ka hotolorana amboara amin’ny sokajy maro, toy ny « Prix de reconnaissance », « Prix d’encouragement », « Femme dynamique », « femme d’excellence » … Ao anatin’ny sokajy « Femme engagée » no mahavotonona an’i Faniry Hantarinivo, filohan’ny RMFI Madagascar. « Tsy voalohany aho no omena lanja manokana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary efa hatramin’izay no nilofosako ny hiara-miasa amin’ny vehivavy mitovy amiko sy hitondrako ny traikefa kely ananako. Toy izay koa ny tanora. Na izany aza, tsy nieritreritra ny ho voasafidy aho, raha ny zavatra kely vitako. Midika kosa izany fa mba nisy dingana tratra aloha hatramin’ny nijoroan’ny RMFI Madagascar », hoy i Faniry Hantarinivo raha nitantara ny fihetseham-pony. Nanamarika anefa izy fa ny asa rehetra dia niarahana nanatanteraka avokoa, « saingy tsy afaka ny ho « nominée » avokoa izahay 9 mirahavavy », hoy izy. Ny tena zava-dehibe, araka ny nambarany hatrany, dia misy olona manome hasina ny zava-bitan’ny fikambanana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo