logo Moov
           Nocomment
Toliara : Mpangalatra môtô lany lasantsy, noraisim-potsiny
(15-02-2017) - Noho ny fahasahirana lalim-paka misy (?), sahy ary lasa manatao fahatany ny olona sasany ankehitriny. Omaly nisandratr’andro, tokony ho tamin’ny 10 ora, dia lehilahy iray 30 taona eo ho eo noraisim-potsiny tra-tehaka nangalatra môtô tany Toliara, ka naratra mafy niharan’ny daroka sy vono.

Raha ny vaovao voaray, dia najanon’ny tompony tsy lavitra ny vavahadibe fidirana ao amin’ny bazary Scama ity kodiaran-droa nihidy “secret”, fa izy nandeha niantsena. Minitra vitsy taorian’izay, dia tonga ity lehilahy namaha ny fatotra, ary namelona ilay môtô sady nentiny nitsoaka.

Nisy nahatsikaritra ny asa ratsy fa tsy ilay tena tompony no nitondra ilay soavalivy ka nantsoin’ny namany tamin’ny findainy haingana ity farany nampahafantarina ny zava-nitranga. Tamin’io fotoana io ihany, dia nisy tamin’ny ampahan’ olona teo tonga nanenjika an’ilay mpangalatra, ka ny sasany tamin’izy ireo nandeha bisikileta sy môtô mihitsy.

Ny nahatsikaiky ny rehetra anefa, rehefa nandeha tokony ho 1 km teo ilay môtô, mihazo ny lalana mankany amin’ny oniversite Maninday iny, dia lany solika, ka voatery nanosika azy ilay mpangalatra, ary noraisim-potsiny tsy afa-niala intsony ity farany, raha iny saika hikasa handositra ka niharan’ny vono. Noho ny fitahian-janahary dia tafaverina tamin’ny tompony ilay scooter efa saika nampamangy.

Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg