logo Moov
           Nocomment
Sakaraha : Lehilahy maika handova, nokapainy tamin’ny famaky ny rainy
(15-03-2017) - Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo no namono ny rainy tamin’ny fomba mamoehitra, ny alahady teo, tany Sakaraha
Mafy ny te-hanankarena tampoka amin’izao fiainana efa mihasarotra andro aman’alina izao, ka misy sahy mandatsak’ain’olona tsy manan-tsiny, eny hatramin’ny ireo nahitana masoandro. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo no namono ny rainy tamin’ny fomba mamoehitra, ny alahady teo, tany Sakaraha. Rehefa niaraka niandry omby ity lehilahy ity sy ny rainy, dia nofirainy famaky teo amin’ny lohan’ ity nahitany masoandro.

Nihevitra ny anao lahy fa maty teo noho eo ity farany noho ny rà nandriaka, ka lasa nandositra haingana izy. Na dia teo aza ny fahaverezan-drà, dia mbola afaka niantso vonjy ary nitantara ny zava-nanjo azy ilay rangahy talohan’ny nahafatesany. Teo vao fantatra fa maika ny handova ity lehilahy namono an-drainy ity, ka izany no nanosika azy hanao habibiana. Raha ny vaovao farany voaray, dia karohina fatratra amin’izao ilay lehilahy nahavanon-doza.

Eric Manitrisa


Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg