logo Moov
           Nocomment
Betafo : Ankizivavy 6 taona naolana sy novoina, nalevina tany an-tanin-katsaka
(16-03-2017) - Miha-mahazo vahana tanteraka ny resaka fanolanana any amin’iny faritra Vakinankaratra iny
Ny alahady lasa teo, ankizivavy kely iray indray no niharan’ny filàn-dratsin’ny tsy mahataho-tody, tany Betafo. Tsy vitan’ny efa naolana anefa ity tsy manan-tsiny ity fa mbola novonoina ihany koa, ary nafenina sy nalevina tany an-tanin-katsaka. Tovolahy 15 taona no voarohirohy ho nahavita ity asa ratsy, feno habibiana ity, izay nitranga tao Miantsaoarivo, ao amin’ny fokontany Kelimanety, ao amin’ny kaominina Manohisoa. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia nalain’ity tovolahy ity ilay ankizivavy. Nentina tany amina tany katsaka tsy lavitry ny tanàna, ary nampiharany ny filan-dratsiny. Asa raha hoe natahorany ny hilaza amin’ny olona ilay ankizy tsy manan-tsiny ka dia notaperiny an-kitsirano sy tsy tamim-pisalasalana ny ainy.

Tsy nisy tahotra akory, fa navelany tao amin’io tanin-katsaka io ny vatana mangatsiaka an’ilay zaza ary nototofany ravin-katsaka mba tsy hisy hahita. Tsy misy takona izay tsy natao hipoitra anefa, indrindra fa resaka vono olona feno habibiana tahak’izao. Hitan’ny fokonolona ny razana fotoana fohy taorian’izay ary nandeha avy hatrany ny fanadihadiana. Tany amin’ity tovolahy ity avy hatrany niantefan’ny ahiahian’ny olona, izay hita niaraka taminy farany. Nosamborina avy hatrany ilay tovolahy. Raha nisy kely foana dia efa saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ity tovolahy ity fa soa ihany fa teo ny mpitandro filaminana nitondra azy avy hatrany tany amin’ny biraony, nanaovana fanadihadiana.

m.L

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg