logo Moov
           Nocomment
Fonjan’Ambalatavoahangy : Nohamafisina ny fiambenana
(17-03-2017) - Taorian’ny fitsoahana ny fonjadia nisy ny fepetra noraisin’ny lehiben’ny fonjaben’i Toamasina Ralay Christian, amin’ny fanamafisana ny fiambenana ny fonja
Taorian’ny fitsoahana ny fonja, tamin’ny fihaniana tamboho nataon’ireo voafonja telo lahy izay ny iray maty voatifitra sy roa voasambotra, dia nisy ny fepetra noraisin’ny lehiben’ny fonjaben’i Toamasina Ralay Christian, amin’ny fanamafisana ny fiambenana ny fonja sy ny fanazavana tamin’ireo voafonja ny lalàna misy mifehy ny fonja sy ny lalàna mifehy ireo voafonja tazonina sy harenina ao anatin’izany.

Nambaran’Atoa Ralay Christian fa “tsy natao hamono voafonja ny mpandraharaha ny fonja, saingy matoa kosa nampitondraina basy sy nofanina hikirakira basy ny mpandraharaha ny fonja, dia noho ny fiarovana ny fonja sy ny vahoaka”; izay nomarihany hatrany fa “tsy maintsy mampiasa ny basy eo am-pelan-tanany ireo mpandraharaha ny fonja raha misy ny tsy fanajana lalàna”. Ny tahotra goavana ao anatin’ny fonja izao dia ny mety ho famindrana ireo nanao heloka be vava rehetra efa voatsara ho any Tsiafahy, izay raha ny angom-baovao dia mbola tsy misy eritreritra ny hanaovana izany. Saingy ireo roa lahy tratra nikasa sy efa nitsoaka ny fonja kosa no miandry ny fanapahan’ny fampanoavana sy ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana ny fanapahan-kevitra ny mety hamindrana azy ireo ho any Tsiafahy. Fantatra mantsy fa ingahy Prospere dia isany tena gaigy lahy tamin’ny fanafihana tao Fenerivo atsinanana sy faritra Analanjirofo ny tenany izay mbola nahatrarana basy PA sy bala maromaro koa tamin’ny fahatrarana azy. Ingahy Jean Baptiste kosa iray andro monja taorian’ny fahafahany fonja noho ny fampihenan-tsazy azony faran’ny taona teo, dia efa tratran’ny zandary niaraka tamin’ireo mpanakan-dàlana tamin’ny làlam-pirenena faha-2 izay mbola nahitana basy PA vita gasy sy bala maromaro ihany koa.

Mbola eo am-pelan-tanan’ny polisy misahana ny helokabevava izay misahana ny fakana am-bavany azy ireo izy roa lahy ireto hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Ny angom-baovao no nahalalana, fa maro ny zavatra nolazain’izy roa lahy tamin’ny fakana am-bavany azy ireo, ho hita eo anefa izany amin’ny fotoana hiakaran’ny raharaha eo anivon’ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana…

Malala Didier

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg