logo Moov
           Nocomment
Raharaha kidnapping : « Marary mafy ary mila fitsaboana i Roger Lala Stephanie », hoy ny fianakaviany
(21-03-2017) - Roa andro teo no najanona tao amin’ny hôpitaly Arivonimamo i Roger Lala Stephanie, araka ny filazan’ny mpitsabo, ary naverina any am-ponja indray
Ny 29 febroary 2016 nivalona iny no nampidirina am-ponja vonjimaika eny Arivonimamo i Roger Lala Stephanie, noho ny resaka nahavoarohirohy azy tamin’ny raharaha fakàna an-keriny niseho tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao. « Hatramin’ny andro nidirany tany am-ponja, efa ho herintaona mahery izao dia tsy azo novangiana ny tenany », hoy ny fanazavàna nomen’ny fianakaviany. « Herinandro teo ho eo anefa izay dia henonay fianakaviana fa marary mafy ny tenany. Roa andro teo izy no najanona tao amin’ny hôpitaly Arivonimamo, araka ny filazan’ny mpitsabo tao, ary naverina any am-ponja indray», hoy ny fitantaran’ireo solontenan’ny fianakaviany. « Araka izany hoe, tsy azo vangiana izany, dia tsy fantatray intsony na manao ahoana ny toe-pahasalamany na manao ahoana. Raha ny filazan’ny mpitsabo taminay dia mila alefa tsaboina maika any an-drenivohitra izy », hoy izy ireo nanohy. « Koa mangataka izahay amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mba hamela anay fianakaviana hikarakara azy. Fa na inona na inona mantsy antony nampidirana azy am-ponja, tokony mba hojerena ihany ny lafiny maha-olona », hoy hatrany ireto solontenam-pianakaviana ireto. Marihana fa tsy mbola niakatra fitsaràna ny raharaha nahavoarohirohy ity ramatoa ity, araka ny fantatra hatrany.

Nangonin’i m.L

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg