logo Moov
           Nocomment
Ambilobe : Olona efatra voatifitry ny mpanafika
(12-09-2017) - Vola mitentina 41,2 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy nitam-basy. Nitifitra izy ireo nandritra ny fanafihana ka olona efatra no naratra mafy vokatr’izany.
Raha araka ny fanazavana azo dia nanao tifitra variraraka ny tranon’ireo olona norobaina ireo enin-dahy. Basim-borona no nampiasaina ary mbola voaporofo rahateo izany tamin’ny fahitàna ireo taim-bala calibre 12, rehefa nijery ifotony ny mpanao fanadihadiana. Nalefa notsaboina tao amin’ny hopitaly Ambilobe ireo naratra ary notohizana ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy nony avy eo. Raha ny fihevitra azy dia efa fantatr’ireo ny fisian’ny vola tao amin’ny tokantrano notafihina, tao amin’ny fokontany Ampitaka. Raha variana amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra ny olona, satria ireny matetika no tena mivoaka gazety noho izy mora fantatra kokoa ny fisiany, ny any ambanivohitra koa dia tena tsy milamina tanteraka. Isan’andro ny halatra omby izay misy fifampitifirana. Toraka izany ihany koa ny fanafihana ao amin’ny tanan-dehibe, toy ity nitranga tao Ambilobe ity. Hatramin’ny kidnapping aza dia efa tonga any amin’ny tontolo ambanivolo koa ankehitriny. Tsy vitsy ny dahalo no maka takalon’aina rehefa manafika ary matetika dia maka vola amin’ny havan’ny olona nalainy. Any ihany koa dia ady aman’aina ny asan’ny mpitandro ny filaminana. Betsaka tamin’izy ireo no efa namoy aina satria be noho ny vitsy ary kely lavitra noho ny ampiasain’ny dahalo ny fitaovam-piadiana ampiasaina.

D.R

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg