logo Moov
           Nocomment
Pesta eto Toamasina : Sahiran-tsaina amin’ireo voafonja 1.010 ny mpandraharaha ny fonja
(14-09-2017) - “Tsy mahalala ny fisian’izany valan’aretina pesta izany izahay raha tsy ianareo tonga manontany ny hevitray amin’ireo voafonja ato aminay izao”, izay no nambaran’ny lehiben’ny fonjaben’i Toamasina Atoa Ralay Christian.
Isan’ny toerana ahiana hiparitahan’ity valan’aretina pesta ity haingana anefa raha ny fonja tahaka ity ao Ambalatavoahangy ity, satria efa miisa 1.011 ireo voafonja ao ankehitriny izay ny 1/3 ihany no efa vita fitsarana amin’izany. Tsy azo sarahina amin’ny fianakaviany sy ireo mpanati-bary ho azy ireo koa anefa ny voafonja. Milaza ny tsy mbola manana hetsika manokana atao amin’ny fiarovana ireo voafonja ao aminy ny mpandraharaha ny fonja, saingy nilaza kosa ny hanao ny ezaka rehetra miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy, tahaka ny omonoria katolika ny fonja sy ny “handicap intenational” ary ny vokovoko mena malagasy, tsy hahatongavan’izao valan’aretina pesta izao eo anivon’izy ireo, izay tsy ho voafehy raha izay no hisy. Manao antso avo amin’ny talem-paritry ny fahasalamana sy ny ny ministeran’ny fitsarana ary ny faritra atsinanana izy ireo mba ny hijerena akaiky izany. Ankoatra izay, araka ny angom-baovao, dia efa mandray ny fepetra rehetra amin’ny fiarovana ny mpiasany ihany koa izao ireo orinasa goavana misy eto Toamasina, hisorohana ny fifindran’ny aretina eo amin’ny samy mpiasa izay hiteraka voka-dratsy raha sendra misy izany.

Malala Didier

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg