logo Moov
           Nocomment
Ivato Seranana : Fatin-jazakely efa lo, navelan-dray aman-dreniny tao an-trano
(13-10-2017) - Habibiana, tsy firarahiana sa dia inona loatra no nahazo ny ray aman-drenin’ity zaza tsy manan-tsiny ity.
Vatana mangatsiakana zazakely iray, izay efa lo sy potika tanteraka mantsy no hitan’ny fokonolona tao amin’ny tokantrano iray nihidy tetsy Ivato Seranana tao amin’ny kartie antsoina hoe K2, omaly antoandro. Ny fofona efa niely sy nanenika ny tanàna no nanaitra ireo manodidina. Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitra ary natao ny famoahana ny trano. Akory ny hatarain’ireo nanokatra raha nahita ny tao an-trano efa mikorontana ary ny vatana mangatsiakan’ity tsy manan-tsiny nitsirara teo am-povoan-trano. Efa somary andro maromaro ihany no tsy nivoha intsony io trano io, raha ny angom-baovao azo. Ny tompon-trano aza tsy nahafantatra akory fa efa tsy nisy olona intsony tao an-toerana. Araka izany, azo heverina fa navelan’ireto ray aman-dreniny sy ny havany tao izany ity zaza namoy ny ainy ity. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny zandary misahana iny faritra iny dia efa nisy tantara teny an-toerana ny ray aman-drenin’ity zaza ity, izay saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka mihitsy. Raha ny zava-nitranga mantsy, andro vitsivitsy, taorian’ny fahateran’ilay ramatoa, ny faramparan’ny volana septambara dia toa hoe narary ilay zaza. Ny rainy ihany anefa no niezaka nitsabo azy ary nony hitany fa nisy fiombony ilay aretina dia nentina tany amin’ny mpitsabo saingy nolazain’ireto farany fa efa maty ilay zaza. Tezitra tamin’izay ilay rainy ka nikasin-tanana ireo mpitsabo. Raikitra tamin’izay ny savorovoro, izay nidiran’ny fokonolona. Nitsoaka sy niala teo amin’ilay tanàna mihitsy izy sy ny fianakaviany taorian’izay ary io namela an’io zaza maty io tao an-trano. Efa noraisin’ny tompon’andraikitra teny an-toerana moa ny raharaha tamin’ny fandevenana ity tsy manan-tsiny ity. Nanokatra ny fanadihadiana kosa tetsy an-danin’izay ireo mpitandro filaminana ary mikaroka ireto ray aman-dreny adala ireto.

m.L

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg