logo Moov
           Nocomment
Adiresy e-mail : Misy misandoka ny an’ny zandarimariam-pirenena
(06-12-2017) - Omaly no nalefa ilay fampitam-baovao izay sady misy ny famantarana manokan’ny fitondram-panjakana no misy koa ny famantarana manokana an’ny zandarimariam-pirenena.

Ny mpanao gazety izay miara-miasa amin’ny seraseran’ny zandarimaria dia avy hatrany dia nahafantatra fa hosoka ilay adiresy e-mail izay nampitaina ilay vaovao ary koa ny fanamarinana manokana an’ny zandary dia tsy izy velively. Rehefa nohamarinina tokoa teo anivon’io vondrona dia tsy mitombina velively ilay vaovao nampitaina. Nanamarina rahateo ny zandary ny harivan’ny omaly : « misy amin’izao fotoana izao ny e-mail azon’ny mpanao gazety maro mikasika fikarohana olona iray (avis de recherche) ka « cirgnmadagasikara12@gmail.com » no nanaparitaka azy io. Tsara ny ahalalan’ny rehetra fa tsy avy amin’ny ZP io vaovao io ary adresse e-mail sandoka io nampiasaina io. » Ilay vaovao kosa dia mahakasika ny fisian’ny ramatoa iray izay nolazain’ny mpisandoka fa mpamatsy vola ny mpaka takalon’aina sy mpanao fakàna an-keriny eto an-drenivohitra.

Izany dia mba entina hanakorontanana ny fifidianana amin’ny taona hoavy. Nisy sary nalefan’ny mpisandoka ary nisy ny nahafantatra fa sarin’ny mpanao gazety iray io nampiasaina io. Inona ny tanjona amin’ny fisandohana toa izao ? Raha efa mateti-pitranga ny fampiasaina kaonty « fake » amin’ny tambajotram-pifandraisana sy serasera dia izao koa izany dia efa tonga amin’ny fampiasàna e-mail ireo olon-dratsy. Manazava hatrany izany fa misy andian’olona izay mikarama amin’ny fanimbàna olona sy fanakorontanana fotsiny eto amintsika. Koa satria ny zandary no nisandohana tamin’ity indray mitoraka ity, azo heverina fa hisy fanadihadiana lalina izay hiafara amin’ny fisamborana ny tompon’antoka amin’ny asa fanakorontanana toa izao.

D.R

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg