logo Moov
           Nocomment
Mananjary : Potika ny 90%-n’ny voly vary, midangana izay tsy izy ny vidim-piainana
(11-01-2018) - Anisan’ny faritra nitondra takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Ava ny tao Vatovavy Fitovinany.

Ankoatra ny fahasimban’ny sekoly maro sy toeram-ponenana dibo-drano ka tsy maintsy namindrana ireo mponina nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza, dia potika avokoa ny fambolen’ ireo tantsaha manerana ny kaominina 31 mandrafitra ny distrikan’i Mananjary, ka ny voly vary no tena voa mafy, potika 90%. Vokatr’izany dia manahy mafy ny mety hisian’ny mosary indray ny mponina. Noho ny fikatsoan’ny fifamoivoizana vokatry ny fiakaran’ny rano, ny fahatapahan’ny lalana sy tetezana, dia midangana izaitsizy ny vidim-piainana, satria nahitam-piakarana avokoa amin’izao ny vidin’entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro, indrindra ny vary, ka mavesatra amin’ny vahoaka izany, indrindra ny any ambanivohitra.

« Fampidinana ny vidim-piainana fa indrindra ny vidim-bary, ny fanampiana ara-tsakafo sy masom-boly ary ny fanarenana ny sekoly simba no tena ilaina maika ato amin’ny distrikan’i Mananjary sy ny manodidina », hoy ny Lehiben’ny Distrika. Raha ny fampitam-baovao voarainay avy an-toerana, dia androany no hiverina an-tsekoly ireo mpianatra sy ny mpampianatra rehetra manerana ny ZAP miisa 29 ao amin’ny Cisco-n’ny Mananjary. Miandrandra ny Ministera mpiahy araka izany ny mpianatra sy ny Ray aman-dreny ary ireo mpanabe mba hijery akaiky izao fahavoazam-be izao ka hitondra fanamboarana sy fampitaovana haingana hanarenana ireo sekoly simba.


Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg