logo Moov
           Nocomment
Antsirabe : Vehivavy novonoina, notapatapahana natao anaty gony
(09-02-2018) - Raha mbola tsy afaka an-tsain’ny maro ilay famonoana vehivavy norasarasaina sy notapatapahana natao anaty gony tamin’ny volana jolay 2017, dia niverina indray izany ankehitriny.

Nampatsiahy ny zava-niseho mihitsy mantsy ity nitranga ity, satria mitovy tsy misy valaka tamin’iny ihany ity famonoana miharo habibiana ity. Renim-pianakaviana iray indray no nisy namono, notapatahana niala tamin’ny vatany ny tànany sy ny tongony ary ny lohany. Natao tanaty gony 4 samihafa, nifatotra tsara ary natsipy tao Vatofotsy, teo amin’ilay toerana nahitana ilay razana tamin’ny 30 Jolay 2017 lasa teo ihany. Lehilahy iray avy niasa alina hamonjy fodiana no nahita ireo gony mihosin-drà norohitin’ny alika, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora alina. Nihevitra ity lehilahy ity fa hena halatra ireo hitany ka niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany izy. Fotoana fohy taorian’ny antso, tonga ny polisy nijery ny zava-misy, akory ny hatairana fa fatin’olona voarasarasa indray no tao anaty gony. Vehivavy iray miboridana tanteraka, tsy nisy na dia takon-kenatra aza. Ny gony iray nisy ny lohany mitokana, nohosorana vovo-tanimena ny tavany ka tsy nisy namantarana azy mihitsy, ary notapenana “scotch” ny vavany. Gony iray hafa, nisy ny vatany ary natokana gony ihany koa ny tongony aman-tanany nisaratsaraka. Nahitana sarin’olona lahy sy vavy ary sarina rongony miharo hafatra ara pitiavana tao amin’ilay gony nisy ny tongony roa.

Taoarian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana, dia naterina sy nodiovina haingana teny amin’ny hopitaly Atsimo ny razana, vetivety dia hipoka olona ny hopitaly nijery ity tranga mampivarahontsana ity. Teo no nahafantarana fa avy any Andranomanelatra ity renim-pianakaviana ity, 37 taona izy ary monina ao Antsirabe Avaratra. Voalaza fa miasa mivoaka alina izy, tsy manambady, saingy niteraka telo ka 14 taona ny zokiny indrindra.


Andry N.

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg