logo Moov
           Nocomment
Tsaratanàna : Bodoin’ireo mpitrandraka volamena an-keriny ny tanin’ny tantsaha ao Brieville sy Andriamena
(17-05-2018) - Noho ny fahafantarana mpitondra ambony, eo ihany koa ny kolikoly sy fanamparam-pahefana misy, dia mitohy hatrany ny fibodoan’ireo teratany vahiny ny tanin’olon-tsotra eto amintsika.

Araka ny tati-baovao mari-pototra voaray avy any amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna, Faritra Bongolava, dia alain’ireo sinoa, karàna ary sovietika an-keriny ny tanin’ireo mponina ao Brieville sy Andriamena, izay anaovan’izy ireo fitrandrahana chrome sy volamena ary vatosoa. Efa hatry ny ela ireo tompon-tany no mitaraina any amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, kanefa tsy misy mihaino momba ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna, tsy manaja ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ary manao bontolo fotsiny ny tanin’olona ity. Ary mirehareha fatratra ireto farany milaza fa mahalala/manana mpitondra ambony, ka mampihorohoro sy mandrahona an’ireo tantsaha tsy mankasitraka ny fangalana ny taniny izay manohitra an’ireto vahiny.

Manoloana ny fihoaram-pefy misy, dia mangataka sy miangavy ary manolotra vahaolana maika ho an’ny Ministry ny harena ankibon’ny tany ireo mponina any an-toerana, mba hampiato avy hatrany ny asan’ireo teratany vahiny mpitrandraka harena ankibon’ny tany mambotry vahoaka. “ Mandravarana sy mamono olona tsy manan-tsiny ireo dahalo mitam-basy mpangalatra omby, dia mbola alain’ireo teratany vahiny an-kerisetra koa ny taninay ”, hoy ity olom-boafidy iray tsy tononina andraikitra sy toerana misy eto, nanome ny vaovao.


Eric Manitrisa

Bookmark and Share

Vous êtes ici : Accueil > Actualités
Vous êtes à Antananarivo :
Contactez nos journalistes :
  Tel. 034 00 301 50
         034 00 173 54

Vous êtes en province :
Envoyez les reportages de votre région !
Moov les diffusera
E-mail : editorial@dts.mg
Autres sites du groupe : www.telma.mg | www.mvola.mg