Vous êtes ici

15-06-2019 par Midi Madagasikara

Niredareda ny afo, fiarabe telo indray potika. Loza mahatsiravina no nitranga tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo, tao amin’ny PK 213+750. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy saingy na izany aza dia entana aman-taonina no kila forehitra ary fiara amina miliara maro no lasa lavenona.


 

Teo amin’ny toerana antsoina hoe Andalamahitsy, ao amin’ny fokontany Manambohitra, kaominina Antsapanana no nitranga ny loza tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any. Raha ny voalaza dia fiarabe avy any Toamasina no nandona fiarabe roa nijanona teo an-tsisin-dalana. Ny fanazavàna azo avy amin’ny zandary no nahafantarana fa hoe tsy nahatàna familiana ity fiarabe avy Atsinanana ity. Tsy fantatra hateto na olana ara-teknika na fahadisoana avy amin’ny mpamily. Niezaka nanarina ilay fiarabe feno entana ihany ny mpamily saingy tsy tafarina ary dia io nifatratra teny amina fiarabe hafa, nitondra « citerne », niantsona teo antsisin-dalana. Mafy ny dona, ary ny vokatr’izay dona izay mihitsy no nampisy tselatr’afo sy nampidedaka ny afo tamin’ilay fiarabe « citerne » voadona. Azo heverina araka izany fa ranon-javatra mora mirehitra no nentin’izy io. Nitatra vetivety ny afo ary nandoro ilay fiara nandona azy, ary mbola nitatra ihany koa tamina fiarabe iray nijanona taorinany.

 

Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ny « remorque » sy ny etana nentin’ity farany, raha karaokam-by nidonak’afo kosa no sisa tavela tamin’iretsy fiarabe nifandona teo antsisin-dalana. Araka ny fampitam-baovao hatrany dia tsy nisy ny naratra tamin’izany loza nahatsiravina izany. Nijanona nisakafo mantsy ny mpamilin’ireo fiara voadona sy may raha afa-niala tao anatin’ny indray mipi-maso talohan’ny loza kosa ny mpamilin’ilay fiarabe nandona. Ity farany izay nitsoaka sy niafina tany an-tranon’olona ary tsy nipoitra teo an- toerana sy nampilaza ny mpitandro filaminana raha tsy ny maraina ny andro. Marihana fa ny herim-pon’ireo fokonolona teo an-toerana ihany no nahafahan’izy ireo nifehy tanteraka ny firehetana sy mba tsy nitaran’izany tamin’ny tanana iray manontolo. Efa eo am-panaovana fanadihadiana mahasika ity tranga ity moa ny zandary any an-toerana amin’izao.

 

m.L