• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra indrindra fanaovana « cake » matsiro

17/04/2024 16:35 © Moov.Mg

Isan’ireo mofomamy mora karakaraina tokoa ny « cake ». Maro dia maro koa nefa ny fomba afaka anamboarana azy ireny. Azo asiana fangaro isan-karazany ihany koa moa izy ireny. Ho an’ireo te hanamboatra « cake » ao an-trano ary dia araho eto ny fomba tsotra fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « cake »

-Lafarina 110g ;
-Dibera 110g ;
-Siramamay 110g ;
-Atody 2 ;
-« Levure » antsasany ;
-Sira.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Afanaina amin’ny hafanana 108°C ny lafaoro.
Tetehina madinika ny dibera avy eo atsonika anaty vilany kely amin’ny afo malefaka. Azo atsonika anaty « bol » ao anaty « micro-onde » ihany koa raha manana io fitaovana io.
Kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy mandrapa fotsy azy tsara.
Afangaro anaty « saladier » na lovia jobo lehibe ny lafarina, sira sy « levure ».
Arotsaka ao anatin’ny lafarina sy ny fangarony ny atody efa nokapohana teo. Afangaro moramora ny rehetra mba hitambatra.
Arotsaka manarak’izay ny dibera efa natsonika teo aloha ary afangaro daholo indray.
Osorana dibera tsara ny « moule à cake ». Alefa ao amin’izay ny paty. Tokony tsy mihoatra ny tapaky ny « moule » ny fatran’ny paty satria mbola hitombo ity farany rehefa miha masaka. Mampiasa « moule » fanindroany na atao indroa mahandro ilay paty raha mihoatra ny fatrany.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 40 minitra. Tsatohana amin’ny lohan’antsy ka rehefa tsy misy manaraka intsony dia masaka izy izay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo