• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © 750G
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanaovana « croquette de poulet » mikarepoka tsara toy ny an’ny KFC

19/04/2024 15:13 © Moov.Mg

Isan’ny ankafizin’ny maro tokoa ny akoho endasina. Maro moa ny fomba afaka anaovana izany fa ilay « croquette de poulet » mikarepoka tsara toy ireo amidy eny amin’ny KFC ireny indray ary no atoro antsika eto. Araho ary ny fikarakarana izany !

Ireo zavatra ilaina raha hanao « croquette de poulet » mikarepoka tsara

-« Céreales » toy ireny « corn flakes » ireny 1 boaty ;
-Nofon’akoho 4 lehibe ;
-Atody 1 ;
-Lafarina 100g ;
-Tongolo gasy voakiky 1 sotrokely ;
-« Paprika » 1 sotrokely ;
-Ronono 1 sotrokely ;
-Menaka hanendasana azy ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « croquette de poulet » mikarepoka

Tetehana araka izay habeny hitiavana azy ny nofon’akoho ary atao anaty lovia jobo lehibe na « saladier ».
Arotsaka ao ny « paprika » sy ny tongolo gasy voakiky ary afangaro tsara amin’ny tanana.
Afangaro anaty lovia fisaka ny lafarina, ny sira sy ny dipoavatra.
Potehina anaty lovia fisaka hafa ny « céréales » na ny « corn flakes » tokony ho roa tanana eo. Tsy atao lasa vovony be akory fa atao somary potipotika fotsiny.
Kapohana anaty lovia hafa indray ny atody sy ny ronono.
Rehefa vonona avokoa ireo akora rehetra dia atsoboka anatin’ny lovia misy lafarina ny nofon’akoho iray. Atao somary mikodia tsara mba ho voafoano tsara an’ilay lafarina.
Manarak’izay dia atao mikodia anatin’ny lovia misy atody ary aorian’izay dia akodia anatin’ny lovia misy ny « corn flakes ». Atao voafono tsara ireo fangaro ireo ilay akoho.
Atao toy izay avokoa ireo nofon’akoho rehetra. Ampiana ireo fangaro famonosana azy raha misy lany.
Afanaina anaty vilany saba na lapoaly jobo ny menaka hanendasana. Endrasana mamay tsara ny menaka dia arotsaka ny akoho.
Endasina eo mandrapahazoana loko somary « dorée ». Rehefa masaka dia apetraka eo ambony « serviettes de table à jeter » mba hitsiaka ny menaka. Aroso mafana miaraka amin’ny « ketchup » !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo