• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Chu Jra
Image
Fahasalamana&Sakafo

Hopitalim-panjakana : Aiza no aleha ? Befelatanana sa HJRA ?

22/04/2024 15:53 © Moov.Mg

Mbola maro amintsika ny tsy mahay manavaka ny hopitalim-panjakana BEFELATANANA (CHU JRB) sy ny HJRA (CHU JRA). Betsaka noho izany no tsy mahalala ny tokony haleha raha misy fizahana na misy vonjy aina (urgence) handehanana amin’izy ireny. Araho ary ny fampahafantarana mba hanavahana ny hopitaly Befelatanana sy ny HJRA.

Hopitaly Befelatanana : fitsaboana ireo aretina tsy mila fandidiana

Ny hopitaly Befelatanana na Hopitaly Joseph Raseta Befelatanana dia eo Mahamasina ambony no ahitana azy. Izy io no mandray an-tanana ny karazana aretina rehetra tsy mila fandidiana. Noho izany, dia manantona ao Befelatanana raha toa mila fitsaboana mikasika ny :
-Service d'Accueil-Urgences-Réanimation izay misahana ny vonjy aina sy fameloman'aina ;
-Service de Cardiologie mikasika ny fitsaboana ny fo sy tosidrà avo ary ny aretiny lalandrà ;
-Service d'USIC mandray an-tanana ny fitsaboana ny fo sy tosidrà avo ary ny aretiny lalandrà ;
-Service de Néphrologie et d'hémodialyse mikasika ny fitsaboana ny voa sy ny fanaovana dialyse ;
-Service de Hépato-Gastro-Entérologie misahana ny fitsaboana ny aty, vavony ary ny tsinay ;
-Service de Rhumato-Dermatologie mandray an-tanana ny fitsaboana ny vanintaolana sy ny hoditra ;
-Service d'Endocrinologie et Diabétologie mikasika ny fitsaboana ny diabeta sy aretin’ny tsirim-panentana ;
-Service de Neurologie miandraikitra ny fitsaboana ny atidoha sy ny fahatapahan’ny lalan-drà ;
-Service de Psychiatrie mandray an-tanana ny fitsaboana ireo marary saina ;
-Service de Maladies infectieuses et parasitaires misahana ny fitsaboana areti-mifindra sy avy amin’ny « parasites » ;
-Service de Pneumologie et Phtysiologie mikasika ny fitsaboana ny avokavoka sy ny « tuberculose » ;
-Service de Pédiatrie mandray an-tanana ny fitsaboana zaza ;
-Service d'Imagérie médicale misahana ny fitiliana amin’ny « radio », « échographie », « scanner » ;
-Service de Radiothérapie miandraikitra ny fitsaboana ny homamiadana ;
-Service de Laboratoire manatanteraka ny fitiliana ny rà ;
-Service de Kinésithérapie misahana ny fanorana, famerenana amin’ny laoniny ny tanjaka.

Hopitaly HJRA : fitsaboana ny marary mila fandidiana na zairina

Ny hopitaly HJRA na Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona dia eo Anosy no ahitana azy. Ao amin'ny hopitaly HJRA no hoentina ny marary raha toa ka mila fandidiana, na tratran'ny lozampifamoivoizana, na ihany koa misy ratra mila zairina. Ireto manaraka ireto ary ireo karazana fitsaboana sy « services » misy ao aminy :
-Service d'Urgences misahana ny fandraisana ny vonjy aina (urgence) ;
-Service de Traumatologie et Orthopédie izay miandraikitra ny fitsaboana ny taolana tapaka sy olona may ;
-Service de Réanimation médicale et Toxicologie mandray an-tanana ny famelomana ireo marary be tsy mila fandidina sy ireo voapoizina ;
-Service de Réanimation chirurgicale misahana ny famelomana ireo marary avy nodidiana ;
-Service de Neurochirurgie mikasika ny fandidiana loha sy ny hazondamosina ;
-Service de Chirurgie viscérale manatanteraka ny fandidiana ny kibo sy ny taova rehetra ao anatiny ;
-Service de Chirurgie pédiatrique misahana ny fandidiana zazakely ;
-Service d'Urologie miandraikitra ny fitsaboana ny taovampananahana sy famaniana ;
-Service de Réanimation néphrologique mandray an-tanana ny fitsaboana ny voa marary ;
-Service d'Ophtalmologie manatanteraka ny fitsaboana sy fandidiana maso ;
-Service de Chirurgie thoracique manatanteraka ny fandidiana ny tratra sy ny avokavoka ;
-Service de Chirurgie vasculaire misahana ny fandidiana ny lalandrà ;
-Service d'Oncologie adulte miandraikitra ny fitsaboana ny homamiadan’ny olon-dehibe ;
-Service d'Oncologie pédiatrique manatanteraka ny fitsaboana ny homamiadan’ny zaza ;
-Service de Laboratoire d'analyse médicale misahana ny fitiliana mikasika ny « biochimie », « hématologie », « bactériologie », « immunologie » ;
-Centre de traitement des Hémophiles et des Drépanocytaires miandraikitra ny fandraisana an# tanana ny marary tratry ny « hémophilie » sy ny marary tratry ny « drépanocytose »
-Centre régional de la transfusion sanguine misahana ny famoahana rà ho an'ny Hopitaly eto Antananarivo sy ny manodidina ;
-Service d'Anatomo-pathologie fitiliana amin’ny « microscope » ny fototr’aretina ;
-Service d'Imagerie médicale manatanteraka ny fitiliana « radio », « échographie », « scanner », « IRM » ;
-Service d'Obstétrique Pavillon Sainte Fleur izay miandraikitra ny fiterahana sy fandidina bevohoka ;
-Service de Rééducation fonctionnelle mikasika ny fitsaboana ireo manana kilema.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo