• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Novice Sur X
Image
Madagasikara

Rihanna : Mpanakanto mpamorona akanjo miaro ny tontolo iainana

23/04/2024 11:03 © Moov

Samy manana ny fomba fandraisany anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny tsirairay, na olon-tsotra, na olo-malaza, na fikambanana na orinasa. Ho an'i Rihanna manokana, ny famoronana akanjo no tena nanehoany ny fankafizany ny natiora.

36 taona izao ny mpanakanto Robin Rihanna Fenty. Maromaro ny talentany satria sady mpihira izy no mpamoron-kira no mpilalao sarimihetsika. Anisan'ny tena mampiavaka azy ihany koa ny fahaizany mamorona akanjo manaitra ny maro.

Voatsara matetika i Rihanna hoe manao "fihaingo hafahafa", saingy tsy manakana azy tsy haneho ny talentany sy izay hafatra tiany hampitaina izany.


Copyright Image : © vpshmagazine

Mamorona akanjo foana i Rihanna rehefa hanao clip na hamonjy fety goavana, indrindra moa ireny "Gala de charité" sy "Remise de prix" ireny.


Copyright Image : © vpshmagazine

Hain'i Rihanna tsara ny mandray lohahevitra manokana rehefa misy akanjo foronina. Misy lanjany avokoa na ny paozin'ny akanjo na ny akora ampiasaina.


Copyright Image : © vpshmagazine

Mahafinaritra loatra an'i Rihanna mihitsy ny mandeha amin'ny "Tapis Rouge" isaky ny misy fety lehibe. Tsy mba miverina izany mantsy ny akanjo anaovany sady "original" hatrany.


Copyright Image : © vpshmagazine

Tena sahisahy tokoa i Rihanna amin'ny akanjo foroniny sy anaovany. Matetika dia tiany ny mampidera ny vatany.


Copyright Image : © vpshmagazine

"Femmes d'affaires" ihany koa i Rihanna. Tamin'ny taona 2022 izao dia tany amin'ny laharana faha-21n'ny olona manankarena indrindra maneran-tany ny tenany.


Copyright Image : © vpshmagazine

Ny taona 2021 dia i Rihanna no nosokajian'ny "Magazine Forbes" ho mpihira manankarena indrindra maneran-tany.


Copyright Image : © vpshmagazine

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo