• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Cosmopolitan.Jpg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa entin'ny zavokà ho an'ny fahasalamana

24/04/2024 20:37 © Moov

Tena mbola ao anaty vanim-potoana fahavokaran'ny zavokà isika izao. Mora tokoa ny vidiny satria manomboka amin'ny roanjato ariary dia efa mahazo. Azo tehirizina tsara io voankazo io raha mafimafy. 'Ndeha àry ho fantarina ireo zava-tsoa entiny ho an'ny fahasalamana.

Misy vitamina maro sy otrik'aina

Ahitana vitamina maromaro ny zavokà, indrindra ny A, C sy E. Manampy ny maso hiasa tsara io voankazo io. Tsy adino ny fanamafisany ny hery fiarovan'ny vatana, indrindra moa fa amin'izao vanim-potoana efa somary mangatsiaka izao. Noho ny zavokà misy vitamina K, manampy betsaka ny olona diabetika amin'ny fampidinana ny tahan'ny siramamy ao amin'ny vatana izy.
Misy magnésium sy potassium ihany koa ny zavokà. Tsara hanin'ny vehivavy tonga fotoana sy bevohoka izy io. Mampihena fanaintainana mantsy izy sady mampilamina ny ao anaty.

Manamora ny fandevonan-kanina

Manankarena "fibres" ny zavoka. Noho izany indrindra dia manatsara ny fiasan'ireo taova fandevonan-kanina izy. Raha marary vavony na mora idiran'ny rivotra dia mety tsara mihitsy ny zavoka. Azo asolo "gouter" tsara io voankazo io. Misy aza ireo mihinana azy amin'ny atoandro : ampiarahana amin'ny akondro sy mofo dia voky tsara, sady tsy mora noana.
Maro ireo mihinana zavokà amin'izao fotsiny. Matsiro ery io voankazo io na tsy asiana siramamy aza. Raha manana tahiry maromaro dia azo atao tsara ny manao lasary na manodina azy ho lasa ranomboankazo.

Mitondra menaka mahasoa

Manome "gras" mahasalama ho an'ny vatana ny zavokà. Manampy betsaka ireo olona te hampitombo vatana izy, indrindra moa mba hahazoana "masse musculaire". Azo atao tsara ny mihinana zavoka maromaro ho an'ireo te hahazo lanja kely. Azo omena zaza tsara ihany koa io voankazo io, indrindra ho an'ireo somary malain-komana.
Aza adino fa mahatsara ny fahasalaman'ny fo ihany koa ny zavokà sady mampihena ny tahan'ny Cholestérol ao amin'ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo