• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 22 hatramin'ny 28 aprily 2024

29/04/2024 08:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny 22 hatramin'ny 28 aprily 2024

Analakely # Rano fisotro madio

Nametrahana fotodrafitrasa fisitrahana rano eo Analakely, hahafahan’ny mponin’Antananarivo renivohitra misotro rano madio araka ny filàny, rehefa mandalo eny. Eo akaikin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo no ahitana izany. Tsy paompin-drano tahaka ny mahazatra izy ity, fa fitaovana maoderina sy hiaka farany. Ny Fondation Axian miaraka amin’ny orinasa Jovena Madagascar ary ny orinasa ODIS no niara-niasa, ka isitrahana tolotra rano voadio (eau filtré) manomboka amin'ny 300 ariary. Manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana rahateo izy io, satria mampihenana ny fampiasana ny tavoahangy plastika.

Zavakanto # Fodiamandrin'i Lalie

Ny alahady 28 aprily no nindaosin'ny fahafatesana ny mpanakanto Andriamazava Hanitriniala Louise, fantatra tamin'ny anarana hoe Lalie. 48 taona izy izao nodimandry izao. Efa naharitraritra ihany ny fotoana nisedrany tsy fahasalamana. Tamin'ny faraparan'ny volana janoary izy no nanao antso tolotanana noho ilay fivontosana goavana tao anaty kibony. Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana ny volana febroary. Nanambara ny tenany avy eo fa "cancer" ilay tena manjo azy. Nanao izay ho afany tamin'ny fitsaboana na ireo mpitsabo na ireo mpanohana azy, saingy tsy tana intsony ny ainy. "Tapitra ny fangirifiriany, handry am-piadanana anie izy", hoy i Bodo tao amin'ny pejiny.

Fahasalamana # Toby fitahirizana vaksiny lehibe indrindra eto Afrika

Laharam-pahamehana ho an'ny Fitondram-panjakana ny fitsinjovana ny vahoaka sy ny fiarovana azy ireo amin'ny fanatanterahana ireo tetikasa maro samihafa anisan'izany ny fanaovana vaksiny. Ny 25 aprily teo no nitokanana ny toby fitahirizana sy fandrindrana vaksiny eny Ivato, izay lehibe indrindra eto Afrika.
Raha 35% ny tahan'ny fanaovam-baksiny telo taona lasa izay, dia tafiakatra 86% izany ankehitriny. Ezahina hampakarina ho 90% ny tahan'ny fanaovam-baksiny. Ny marainan'ny 25 aprily dia noraisin'ny Filohampirenena mivady teny Ambohitsirohitra ny delegasion'ny "Initiative mondiale pour l'éradication de la poliomyélite" (IMEP) sy ny Alliance GAVI.

Fahasalamana # Mialy Rajoelina, reny mpiahy ny fanaovam-baksiny

Navaozin’ny OMS ny mari-pankasitrahana amin’ny maha reny mpiahy ny fanaovam-baksiny sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza an-dRamatoa Mialy Rajoelina, vadin'ny filohan'ny Repoblika.
Nanampy be tamin'ny fampiakarana ny taham-panaovam-baksiny ny nametrahany ireo « centre ami de la vaccination » miisa enina manerana ny Nosy izay tantanina miaraka amin'ny Fikambanana Fitia izay tarihiny, ho fanampin’ireo tombim-pahasalamana fototra. Naneho ny fahavononany hatrany ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika hanohy ireo fanentanana ary hanao ny ezaka rehetra hanatrarana ny tanjona iombonana dia ny fiarovana ny zaza malagasy amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny.

CUA # Fandraisana Polisy Monisipaly sy Mpamonjy voina

Nikarakara lanonana ara-miaramila sy fametrahana galona ireo Polisy Monisipaly miisa 200 sy Mpamonjy voina mihisa 98 izay mandrafitra ny andiany Tselatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Manomboka eto dia miditra tanteraka ao amin'ny tontolon'ny asa izy ireo araka ny toromarika nomen'ny PDS, Ramanambitana Richard. Ho tsinjaraina manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo ireo polisy monisipaly sy mpamonjy voina vaovao ireo.

Tontolo iainana # Faritra arovana

Hamafisina ny fiarovana ny faritra arovana Menabe Antimena sady ho raisana an-tanana ny olan’ny fifindra-monina sy ireo fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro. Izany indrindra no anombohana ny tetikasa “Promouvoir la résilience climatique des populations migrantes affectées par le changement climatique dans la "basse Tsiribihina". Haharitra 24 volana ny fe-potoana iasan’ny tetikasa ary mitentina 300 000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Fonds de l’OIM pour le développement entina manatanteraka izany.

Fizahantany # Fanavaozana ny moron-dranomasin'i Libanona

Mitohy hatrany ny ezaka isan-karazany hamerenana amin'ny laoniny ny fizahantany eto Madagasikara, taorian'ny Covid. Vita soa aman-tsara ny fanajariana ny moron-dranomasin'i Libanona. Tombontsoa lehibe ho an'ny mponina ao Taolagnaro ity toeram-pitsangatsanganana ity sady hanintonana mpizahatany ihany koa. Tsara ny manamarika fa tamin'ny vanim-potoanan'ny Repoblika faharoa no nisy fanajariana farany ny moron-dranomasin'i Libanona.

Faritra Atsimo # Fitsaboana manakaiky vahoaka

Manana CSBII Manarapenitra manomboka izao ireo mponina ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ranopiso. Hahafahana mitsabo ny aretina rehetra ity toera-pitsaboana ity, ahitana toerana fiterahana manaraka ny fenitra ao anatiny ka tsy hisy intsony ny vehivavy na zaza maty eo am-piterahana. Hita ao ihany koa ny toerana fanaovana vaksiny ary efa napetraka ao ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin'ny masoandro hitahirizana azy ireo. Ny 27 aprily lasa teo moa no nanatanterahana ny fitokanana ny fotodrafitrasa.

Taolagnaro # Angovo azo havaozina

Efa miodina ary mamokatra hatramin’ny 8MW ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro ao Ehoala. Izany no tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana, ny orinasa JIRAMA sy ny QMM. Mbola hisy fanitarana ka hiampy 6 MW izany. Efa miroso ihany koa ny fananganana "parc éolien" ao Ehoala izay hamokatra hatramin’ny 16 MW ary izay efa notsidihina teto an-toerana. Azo heverina fa hahaleo tena amin’ny famokarana herinaratra ny ao Taolagnaro rehefa vita tanteraka izany fotodrafitrasa izany ary hihena araka izany ny vidin-jiro ho an'ny mponina.

Ihosy # Fahatratrana rongony 13 gony

Rongony miisa 13 gony no sarona nandritra ny fisavana fiara iray teo amin'ny sakana napetraky ny Polisy, ny 27 aprily lasa teo. Nafenina tao ambany entana moa ireto rongony ireto ary avy any Toliara no nakan'izy ireo izany. Marihana fa fiara Sprinter mpitondra entana no nahatratrarana ireo rongony ireo. Lehilahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy. Nosamborina izy telo lahy ary nogiazana ny fiara sy ireo rongony. Mitohy ny fanadihadiana.

Vakinankaratra # Fizarana "Bidon jaune"

Ho fanazarana ny isan-tokatrano amin’ny fitantanana ny fako dia manao ezaka manokana ny DREDD Vakinankaratra. Nisy araka izany ny fizarana bidons jaunes 3 isan-tokatrano, mba hanavahana ny fako. Tanjona ny hanazarana ny vahoaka hahay hanavaka ny fako eny anivon’ny tokatrano tsirairay ary hanena izany.
Raha toa tokoa ka voasivana avy eny anivon’ny tokatrano tsirairay mantsy ny fako dia mora kokoa ny mitantana azy ireny indrindra ny fanodinana azy ho lasa akora afaka ampiasaina indray.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo