• Cours de change
  • 4740.83 AR
  • |
  • $4417.35 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanabeazana, fampiatiana… : Manohy ny ady mba hisitrahan’ny ankizy ny zony i Lorah sy i Gilardy

29/04/2024 11:46 © Moov.Mg

Andraikitry ny olona tsirairay ny miady mba hisitrahan’ny ankizy rehetra tsy an-kanavaka ny zony feno. Nanentana ny rehetra, mba handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany, Rtoa Eva Kadilli, Talem-paritry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara.

Tsy fahampiana amin’ny sehatra maro

Tena mbola voahitsakitsaka tanteraka ny zon’ny ankizy, raha ny fahitan’i Lorah (Pejy Facebook Iam Lorah Gasy) azy, izy izay “Mpiaro ny Zon’ny Ankizy” miaraka amin’ny UNICEF eto Madagasikara. Na ny zo hianatra, na ny zo hisakafo tsara, na ny zo tsy ho lavitry ny herisetra, na ny zo honina amin’ny toeram-ponenana mendrika… dia samy tsy misy tomombana tanteraka avokoa. Raha zava-misy eto amitsika tokoa mantsy, araka ny fanadihadiana mikasika ny tsy fahampiana eo amin’ny sehatra maromaro mifanindran-dàlana (MODA) mianjady amin’ny ankizy, dia mbola mampangorintsina ny antontan’isa. Ohatra : ny roa ampahatelon'ny zaza malagasy (66,9%) no tratry ny fahantrana marolafy ; zaza malagasy 1 amin’ny 5 (18,4%) no lasibatry ny fahantrana lalina ; ankizy 1 amin’ny 7 (15%), 0 ka hatramin'ny 4 taona, no ianjadian'ny tsy fahampian-tsakafo, miampy tsy fahatomombanan’ny trano fonenana sy ny lafiny fidiovana. Mandray anjara amin’ny fampahafantarana momba ny zon’ny ankizy sy amin’ny fanentanana ny mba hanajana izany i Lorah, na miaraka amin’ny UNICEF, na ao anatin’ny pejiny manokana.

Fanilikilihana ireo manana fahasembanana

Momba ny ankizy manana fahasembanana manokana, raha ny fanadihadiana MICS-2018 nataon'ny UNICEF dia ny 10% amin'ireo ankizy 2 ka hatramin'ny 5 taona eto Madagasikara no miaina ao anatin’izany. Miakatra ho 14% izany taha izany ho an’ny ankizy 5 ka hatramin'ny 17 taona. Na dia misy aza ny politika sosialy isan-tsokajiny natao hositrahan’ireny ankizy manana fahasembanana ireny, dia tsy mahafeno ny filàn'izy ireo izany, amin’ny ankapobeny. Raha ny fanadihadiana MICS hatrany dia ny 4%-n’ny ankizy manana kilema eto amintsika ihany, no mianatra. Nijoro vavolombelona ny amin’ny fanilikilihana efa nahazo azy, sy mahazo ireo ankizy hafa manana toe-tena varira, i Gilardy Totozandry, izay vao voaantso ho mpitondra tenin’ireo ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny fahasamihafana, eo anivon’ny UNICEF Madagasikara. Efa nandray andraikitra tao anatin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy izy, fa mbola vonona ny hanamafy ny ady ataony, amin’ny alalan’ny fanentanana isan-karazany sy amin’ny fidinana ifotony. Maro loatra, hoy izy, ny olona varira tratran’ny fanilikilihana. Misy amin’izy ireo no tsy sahy mivoaka ny trano akory, noho izany fanilikilihana izany, na noho ny henatra. Eo ihany koa ny tahotry ny mety hakana an-keriny na hamonoana azy ireo, noho ny finoanoam-poana. Isan’ny tanjon’i Tianarivelo Gilardy Totozandry, noho izany, ny hiady amin’ny hevi-draikitra momba ny olona varira.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo