• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

RNT 12 A - Taolagnaro - Ebabika : Iray ampahatelon'ny asa no efa vita

29/04/2024 15:02 © Moov

Mitohy hatrany ireo asa fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pirenena rehetra manerana an'i Madagasikara. Raha nifantoka betsaka tany amin'ny faritra avaratra ny ministeran'ny Asa Vaventy noho ny rivodoza, efa miroso indray ny fanaraha-maso ireo asa any amin'ny Faritra hafa.

Ny faritra Atsimon'i Madagasikara indray no notsidihan'ny ekipan'ny Ministeran'ny Asa vaventy, tarihin'ny Minisitry ny Asa Vaventy, Kolonely Andrianatrehina Livah. Ny asa fanamboarana ny RNT 12A ampahany voalohany, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ebakika, no notsidihan'izy ireo omaly 28 aprily. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa « PACFC I» iarahan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Vondrona Eropeanina ary ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana io fanamboarana io.

Asa miroso sady manara-penitra

Mirefy 45 kilometatra ny lalana amboarina. Maherin’ny ampahatelon’ny asa no efa vita ankehitriny ary 27 kilometatra no efa vita « terrassement ». Etsy ankilan’izay ny fanamboarana « dalots » miisa 85, ka ny 59 no efa vita amin’izao fotoana.
Efa voaloa ny volan’ireo olona nanana fananana, toy ny trano, ny voly sy ny hafa ka noesorina noho ny tetikasa, eo anelanelan’ny teboka halavirandalana PK8 hatramin’ny PK45. Tafiditra anatin’ny tetikasa ihany koa ny fanamboarana ny tetezana Ebakika, ho solon’ny Bac. Ho tanterahana hatramin’ny volana marsa 2025 ny asa fanamboarana sy fandrakofana tara, iandraiketan’ny orinasa « China Railway Group ».
Hanala fahasahiranana ireo mponina sy mpampiasa lalana ny fahavitan’ny RNT 12A, indrindra amin’ny fivezivezena sy ny fitaterana ireo vokatra, ka hitondra fampandrosoana ho an’ny Faritra sy ho an’ny Firenena iray manontolo. Hanamaivana ny fotoana lany eny an-dalana ihany koa ny fahavitan’ity lalam-pirenena ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo