• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Famatsiam-bolan’ny IDA-21 : Antenaina ny hitomboany avo 3 heny amin’ny vola azo teo aloha

29/04/2024 15:42 © Moov.Mg

Nanomboka ofisialy androany, any Nairobi, Kenya, ny Fihaonana an-tampon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana na ny IDA, izay ahafahana manangom-bola ho fanampiana ireo firenena an-dalam-pandrosoana. Isan’ny manatrika izany any an-toerana ny filoha Andry Rajoelina sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantananam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.

Avo telo heny

Iray amin’ireo rantsana 3 mandrafitra ny Banky Iraisam-pirenena ny IDA ary andiany faha-21 ity fihaonana an-tampony atrehina ankehitriny ity. Omaly dia efa nisy ny fivoriana notanterahin’ireo minisitra avy amin’ny firenena mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampony ity, niaraka tamin’ny fitondrana kenianina mpampiantrano, ary ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena, mba ho fanomanana ny laha-dinika. Niatrika izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantananam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Nivoitra tao anatin’io fivoriana io fa maminavina ny hahazoana famatsiam-bola avo telo heny amin’izay azo tamin’ny IDA-20 ny Banky Iraisam-pirenena. Raha tsiahivina dia nitotaly ho 93 miliara amin’ny vola dôlara no famatsiam-bola nisitrahan’ny firenena an-dalam-pandrosoana 75 isa, tamin’izany IDA-20 izany. Maherin’ny 600 tapitrisa dôlara no anjaran’i Madagasikara tamin’io.

Tetikasam-pampandrosoana

Betsaka ny tetikasa nampiasana ny famatsiam-bola tamin’ny IDA-20, hoy ny minisitry ny vola, toy ny fizaràna karatany, ny fandefasam-bola tamin’ny alalan’ny finday ho an’ny fiahiana ara-tsôsialy, ny fanamboaran-dalana sy ny maro hafa. Hiezaka ny hanao ny fandresen-dahatra rehetra ho an’i Madagasikara ny filoha Andry Rajoelina, mandritra ity Fihaonana an-tampony hiarahana amin'ireo firenen-dehibe mpiara-miombon'antoka, ny Banky Iraisam-pirenena ary ireo Firenena Afrikanina misitraka famatsim-bola avy amin'ny IDA ity. Hanao adisisika amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ny delegasiôna malagasy, indrindra ny Filohan’ny Repoblika, mandritra ny fandraisam-pitenenany, mba hanohanan’izy ireo an’ireo tetikasam-pampandrosoana an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo