• Cours de change
  • 4759.39 AR
  • |
  • $4415.65 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Tangoron-drahona Hidaya : Hitondra orana betsaka any avaratra atsinanan'i Madagasikara

01/05/2024 07:21 © Moov

Hitondra ny anarana hoe "Hidaya" ilay tangoron-drahona raha mitombo hery izy ka lasa rivodoza. Tsy dia misy ahiana firy ho an'i Madagasikara io tangoron-drahona io, saingy hitondra orana betsaka any amin'ny faritra afovoany sy avaratra atsinanana.

Omaly tamin'ny 12 ora atoandro teo dia tany amin'ny manodidina ny 640 km avaratra andrefan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay tangoron-drahona. Any avaratry ny Lakandranon'i Mozambika izany no misy azy. Raha ny antotan-kevitra voaray anio dia tomombana hatrany amin’ny ankapobeny ny tontolo hivoarany na dia malefaka aza ny tsiokan’ny talio. 45 km/ora eo ho eo ny rivotra entiny, ary mety arahina tafiotra 65 km/ora ao anaty oram-baratra. Tombanana hikisaka miadana miandalana mianatsimo sy atsimo andrefana ity tangoron-drahona ity ato anatin’ny 2 andro manaraka ary mety hitombo hery tsikelikely ka mety ho lasa rivodoza.

Rivodoza faha-10

Raha mitombo hery ilay tangoron-drahona dia hahazo ny anarana hoe Hidaya. Izy io izany no rivodoza fahafolo ao amin’ny fari-dranomasina misy an’i Madagasikara tamin’ity vanim-potoana 2023/2024 ity.
Tombanana ho betsaka hatrany kosa ny rotsakorana any amin’ny faritra afovoany sy avaratra atsinanan’ny Nosy androany sy rahampitso noho ny tosiky ny tsiokan’ny varatraza izay mahazo vahana tanteraka.
Misy ny fampitandremana amin'ny fahabetsahan'ny rotsakorana ho an'ireto faritra ireto : Sava, Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana. Foana kosa ny fampitadremana mikasika ny alondrano ho an’ireo faritra izay naharay izany. Na izany aza manentana mandrakariva ireo mpampiasa ranomasina mba ho mailo.

Maripana ny Alarobia 1 may

Antananarivo 17/24
Antsirabe 14/24
Fianarantsoa 16/26
Morondava 22/35
Mananjary 21/27
Farafangana 23/28
Nosy-Be 26/32
Toamasina 22/26
Mahajanga 25/34
Taolagnaro 22/29
Sainte-Marie 22/26
Toliara 23/30
Antsiranana 23/32
Antalaha 23/31
Maintirano 25/33
Maevatanana 25/37
Ambositra 15/24
Ranohira 20/30

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo