• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Medela
Image
Reny&Zaza

Reny mampinono : mety mivadika tokoa ve ny rononon-dreny ?

02/05/2024 10:16 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mampatahotra antsika Malagasy tokoa ny hoe mivadika ny rononon-dreny satria hoe atahorana ankarary kibo ny zazakely. Raha ny marina dia tsy mety mivadika ny rononon-dreny fa mety miova fotsiny ihany ny endriny.

Ireo antony heverina fa mampivadika ny rononon-dreny

Heverintsika Malagasy fa mety mivadika ny rononon-dreny ka mahatonga antsika hitandrina diso tafahoatra na hampiafy mihintsy ny mpampinono mba hisorohana izany. Maro tokoa ireo antony eritreretintsika ho mety mahatonga ny rononon-dreny mivadika, toy ny hoe :
-Rehefa mangatsiaka ny nono na misotro zavatra mangatsiaka ny reny dia lasa mandry na mivaingambaingana ny rononon-dreny ;
-Rehefa malahelo, na tezitra na taitra tampoka ny mpampinono dia mivadika ny ronony ;
-Rehefa ela tsy mampinono dia mila ariana aloha ny ronono vao mampinono indray satria atahorana nivadika na lo izany ka hankarary kibo ny zazakely.
Mbola maro ireo zavatra re eny amin’ny fiarahamonina eny mikasika ny antony heverintsika Malagasy fa mampivadika ny rononon-dreny. Noho ireny antony ireny dia terena hanao mafana foana ny mpampinono, hisotro zavatra mafana, ho tony hatrany raha misy zavatra mampalahelo na mahatezitra azy…

Ireo fanazavana ny mety mampiova endrika ny rononon-dreny

Mety miova endrika na miova loko tokoa ny rononon-dreny. Tsy mivadika ho poizina mety hankarary kibo ny zaza mihintsy nefa izy io na dia misy aza izany fiovana izany. Antony ara-boajanahary avokoa no mety mampiova endrika na mampiova loko ny rononon-dreny, anisan’izany ny hoe :
Mbola betsaka ny ronono tsy tafavoaka anatin’ny nono nefa mbola mamokatra rononon-dreny hatrany ny vatana. Raha izany no mitranga dia lasa miova ny akora hita anatin’ilay ronono ka mahatonga azy hiova loko lasa mavomavo be na lasa mitopy mangamanga ;
Miova tsiro, lasa masira kokoa, ny rononon-dreny rehefa zara raha miasa ny nono. Mijanona mamokatra ronono tsikelikely ny sela tsirairay izay miandraikitra izany ka tafiditra anatin’ilay ronono ny sira ao anatin’ny rà. Ny tsiron’ilay rononon-dreny ihany nefa no miova fa tsy misy atahorana ho an’ny fahasalaman’ny zaza akora izany ;
Miangona betsaka anaty nono ny rononon-dreny ka lasa mamatovato sy mafimafy ilay nono. Rehefa avoaka ao ilay rononon-dreny miangona ao io dia mety mamoaka fofona tsy mahazatra na mety ho toy ny mandry ihany koa. Izay matetika no heverina fa hoe mivadika na lasa lo ilay rononon-dreny. Tsy misy atahorana ho an’ny zaza mihintsy nefa izy io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo