• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fampihenana ny taham-pahafatesan'ny reny : Manana andraikitra goavana ny mpampivelona

02/05/2024 14:51 © Moov.Mg

Taona maro izay no tsy niova ny tarehimarika, fa nijanona eo amin'ny 10 isan'andro no isan'ny vehivavy mamoy ny ainy noho ny fiterahana, eto Madagasikara. Isan'ny fomba iray azo entina mampihena io tarehimarika io ny fanomezana lanja ny mpampivelona na ny Rasazy.

Any Farafangana

Araka io tombana io dia vehivavy 10 isan'andro eto amintsika no maty vokatry ny fiterahana sy ny mety ho hodidin'izany. Ny fahafatesan'ny reny, manomboka eo amin'ny fihetsehan-jaza ka hatramin'ny 42 andro aorian'ny fiterahana, no voakasik'io antontan'isa io. Ny 3 amin'ireo 10 ireo dia adolantsento avokoa, izany hoe : mbola tsy tomombana handray zaza ny vatany, raha ny tokony ho izy. Manana andraikitra goavana amin'ny fampihenana ny taham-pahafatesan'ny reny ny mpampivelona, izay anokanana andro iraisam-pirenena amin'ny 5 mey izao, toy ny isan-taona. Ho an'ny eto Madagasikara dia any Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, no hanatanterahana ny fankalazana ofisialy amin'ity taona ity. Lohahevitra hiompanan'ny fankalazana ny hoe : "Ny Rasazy, manana anjara asa amin'ny fampihenana ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro".

Miasa mafy

Tsy mitsahatra miasa tokoa mantsy ny mpampivelona rehefa misy ny tranga ara-boajanahary, toy ny rivo-doza, fa vao mainka aza mitombo sy mihamafy ny asany, hoy ny fanazavan'ny avy eo anivon'ny Tahirin'ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), izay rantsamangaikan'ny Firenena Mikambana manohana azy ireny. Tranga efa mpiseho, ohatra, ny fananganana ivon-toeram-piterahana mandalo (maternité provisoire), noho ny fahasimban'ny tobim-pahsalamana taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza, ka ao ny Rasazy no mampiteraka. Indraindray aza dia ny toeram-pandraisana traboina fotsiny no alamina, ahafahana mampiteraka ireo reny efa niandry andro, nefa voatery niala ny toeram-ponenany. Tsy azo lavina, noho izany, fa tena ilaina ny mpampivelona ary antoka hamonjena ny ain'ny reny sy ny zaza.

Fiofanana mitovy

Tsy ampy anefa ny isan'ireo mpampivelona eto Madagasikara, satria manodidina ny 4.000 ny isan'izy ireo raha toa ka 10.000 any ho any no ilaina. Mbola tanora latsaky ny 35 taona ihany koa ny ankamaroan'izy ireo, fa 5% monja ireo mihoatra ny 55 taona. Ankoatra ny fahalalana norantovina anefa dia ny traikefa no tena maha-mpampivelona ny mpampivelona, hoy ny Dr Razanalison Faly, tomponandraikitry ny fandaharan’asa momba ny fandrindram-piterahana eo anivon'ny UNFPA. Tena zava-dehibe, noho izany, ny fampitana fahalalana avy amin'ireo Rasazy zoky, mba ho fanatsarana ny fahaiza-manaon'ireo Rasazy zandry. Momba ny fiofanana moa dia efa eo an-dalana ny fampitoviana ny fandaharam-pianaran'ireo sekoly manofana mpampivelona eto amintsika, izay miisa 107 ankehitriny. Tahaka izany koa ny momba ny fanadinana, izay tokony ho iraisana, mba ho fahaizana mitovy no entin'ireo Rasazy mandray an-tanana ny fahasalamana ara-pananahan’ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo