• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 29 aprily hatramin'ny 05 may 2024

06/05/2024 05:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, nanomboka ny alatsinainy 29 aprily ka hatramin'ny alahady 05 may 2024.

CUA # Hetsika fizarana kopia faobe

Mizotra tsara ny hetsika fizarana kopia faobe tanterahan'ny Kaominina Antananarivo renivohitra, izay tohanan'ny Vondron'ireo firenena miteny frantsay (OIF). Tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa teo dia miisa 231 ireo nisitraka kopia tao amin'ny boriborintany fahatelo. Tsara ny manamarika fa zaza sy ankizy manomboka amin'ny 1 volana hatramin'ny 17 taona miisa 11 840 no kendrena hisitraka izao hetsika izao manerana ireo boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra. Ny tanjona moa dia ny fanampiana ireo tsy manana kopia eny anivon'ny Fokontany tsirairay.

Mpamonjy voina # Fankalazana ny faha-75 taona

Ny sabotsy 4 may no nankalazan'ny Mpamonjy Voina ny faha-75 taonany. Hetsika fitsaboana maimaimpoana no nanamarihana izany teny Tsaralalàna. Nisy ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, ny fanomezan-drà ary ny ny fitsaboana ny nify/ ati-vava. Maherin'ny 50 ireo mpisitraka ny tapak'andro maraina fotsiny. Tsy adino ihany koa ny fampirantiana an-tsary sy fampahafantarana ny asan'ireo mpamonjy voina, miaraka amin'ireo fitaovana ampiasaina.
Nampiainana mivantana ny famonjena voina ireo mpanatrika tamin'ny alalan'ny fitondrana ireo fiarabe teny Tsaralalàna sy teny amin'ny araben'ny Fahaleovantena.

Jirama # Fandraisana ny Tale Jeneraly vaovao

Tamin'iny herinandro lasa teo iny, fiandohan'ny volana may, no nandraisan'ny Jirama ny tale jeneraliny vaovao, Ron Weiss. Tanjona ny hampisitrahana herinaratra ny vahoaka Malagasy rehetra ka atao laharam-pahamehana ny fitrandrahana ny Angovo azo havaozina izay andry iankinan’ny fampandrosoana ara-ekonomika eto Madagasikara.
Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra aho, hoy izy satria manana traikefa sy fahaiza-manao ny mpiaramiasa eto anivon’ny Orinasa JIRAMA. Teboka telo no notsipihiny ho laharam-pahamehana :
•Fanomezana fahafaham-po ny Mpanjifa;
•Fanarenana ny ara-bolan'ny Orinasa;
•Fanovana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika ho amin’ny Angovo azo havaozina.

Polisim-pirenena # Fanatsarana ny fahaiza-manao eny an-kianja

Polisy miisa 80 notsongaina tamin'ireo sampan-draharaha manerana ny Nosy no nahavita fiofanana mikasika ny "Techniques d'intervention Professionnelle".
Nandritra ny 20 andro izy ireo no nanaraka izany fiofanana izany izay niompana tamin'ny fanatsarana ny fahaizamanao ilaina amin'ny fitandroana ny filaminana eny an-kianja sy ireo paikady ara-teknika entina miady amin'ny asan-jiolahy. Toerana maro no nanatanterahana ny fiofanana toy ny teny amin'ny Toby CGP RAZAFINDRAZAKA Berthin Antanimora, tany Ambanitsena, tany Manjakandriana sy tetsy amin'ny Toby IGP AMADY Augustin Ivato. Telo tamin'ireo mpiofana moa no vehivavy.

Arivonimamo # Milina famokarana paty

Nisitraka ny tetikasa Taniketsa Indostrialy ny tao Arivonimamo. Efa misy ny milina mamokatra paty 32 000 fonosana isan'andro, izany hoe 4 taonina, izay raisin'ny orinasa NETA an-tanana. Akora fototra ampiasain’ny orinasa ny lafarinina vita amin’ny vary vokatra eto an-toerana. Ireo mpiompy akoho ao Arivonimamo sy ny manodidina ihany koa no mamatsy atody ny orinasa. Miara-miasa amin’ny Taninketsa Indostrialy Nobel Fleur mpamokatra menaka ao Analavory ihany koa ny NETA Madagascar amin’ny filàna menaka hanamboarana ny paty. Notokanana ny zoma 03 may lasa teo moa ny milina ampiasaina anodinana ny paty.

Behenjy # Tobim-pamokarana herinaratra

Ny 02 may lasa teo no notokanana ny Tobim-pamokarana herinaratra tao amin'ny Kaominina ambanivohitra Behenjy, faritra Vakinankaratra. okatry ny fiaraha-miasa amin'ny Fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao izay hamokatra hatramin’ny 1,4MW izay hanampy ny tambazotra Iraisan’Antananarivo. Tokantrano miisa 700 no heverina fa hisitraka mivantana ny herinaratra avy amin'io tobim-pamokarana io.
Hisitraka ny tetikasa "branchement mora" moa ireo fokontany manodidina hahafahan'izy ireo mampiditra herinaratra amin’ny vidiny mirary.

Antsirabe # Fanatsarana ny fiofanana eo anivon'ny Akademia Miaramila

Notontosaina tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny 2 sy 4 may 2024 ny atrikasa miompana manokana amin’ny pôlitikan'ny fiofanana arahin’ireo miaramila eto anivon'ny Tafika Malagasy.
Noresahina nandritra izany ny paikady hoentina hanatsarana ny fampiofanana ireo miaramila manamboninahitra, manamboninahitra lefitra ary miaramila an-daharana, mifanaraka amin’ny fanitsiandrafitra eo amin’ny Tafika. Ny tanjona moa dia ny fampiharana ny hoe “Tafika maoderina”, afaka hanatratra ireo fanamby rehetra napetraka hanatanterahana ny asa fampandriana fahalemana ka hanana drafitra matipaika sady mazava ; ary hanakatra lenta avo dia avo tsy mena mitaha amin’ireo firenen-kafa manomboka eto hatramin’ny taona 2030.

Ankarafantsika # Dahalo roa voasambotra

Mitohy ny hetsika TSELATRA hampandriana ny tany any amin'ireo faritra be dahalo. Olon-dratsy roa raindahiny antsoina hoe "Tongany" sy "Takoany" no voasambotra tao amin'ny Fokontany Mangarivotra, Kaominina ambanivohitr'i Malakialina, Fari-piarovana sy Filaminana Ankarafantsika.
I Tongany no ilay dahalo gaigilahy nanao ny fanafihana mitam-piadiana nandroba tranombarotra iray tao amin'ny Kaominina ambanivohitr'i Betaramahamay, tamin'ny volana febroary lasa teo ; sy nanafika ny Ben'ny Tanàna tao amin'izany Kaominina izany ka nahafatesana Lehiben'ny Fokontany iray tany an-toerana; sady tompon'antoka tamin'ny halatr'omby miisa 30. I Takoany kosa no voalazan'ity namany fa atidoha raindahiny niketrika ireo asa ratsy rehetra ireo.

Toliara # Jiolahy iray lavon'ny balan'ny polisy

Lavon'ny UIR Toliara tao Ankatsaka ny jiolahy iray ny marainan'ny alakamisy 02 Mey 2024 rehefa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana.
Nandritra ny fisafoana no nahatsikaritra andian'olona nihaodihaody nanodidina tokantrano iray ny Polisy. Raha vao nahita ireo Polisy anefa ireto mpanao ratsy ireto dia nitifitra avy hatrany. Nisy moa ny fifanjevoana ka lavo ny lehilahy iray. Nitsoaka nandositra kosa ireo namany hafa. Noentina teny amin'ny Hopitaly CHU Tanambao Toliara moa ity farany saingy tsy tana ny ainy. Nahitana basy vita gasy iray teny amin'ity jiolahy ity. Mitohy ny fanadihadihana.

Thailande # Biby Malagasy arovana naondrana an-tsokosoko

Sokatra maherin'ny arivo isa sy gidro 48 no tra-tehaka tany Thailande ny voalohan'ny volana may lasa teo. Rehefa nataon'ireo polisy tany an-toerana ny fanadihadihana dia fantatra fa avy aty Madagasikara ireo biby ireo. Olona 6 hatreto no fantatra fa voatazona eny amin'ny manam-pahefana any Thailande noho izao raharaha izao. 4 kosa ireo voarohirohy eto Madagasikara. "Misy vondrona matanjaka efa mpanondrana an-tsokosoko ireo biby arovana mihitsy eto Madagasikara", araka ny nambaran'i Simon Rafanomezantsoa, tompon'andraikitra ao amin'ny WWF Madagascar.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo