• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Andro maneran-tany ho an’ny dihy : Ho ampahafantarina maneran-tany ireo Malagasy mpana-talenta

06/05/2024 12:20 © Moov

Nankalazaina teny amin'ny kianjan'ny hira gasy Anosy ny sabotsy 4 mey teo ny andro maneran-tany ho an’ny dihy raha ny teto Madagasikara. Fikambanana mpandihy maherin’ny dimam-polo no nandray anjara tamin’izany hetsika izany.

Ny Office National des Arts et de la Culture (OFNAC) izay rantsa-mangaikan'ny ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina no nikarakara ny hetsika niaraka tamin'ireo tarika mpandihy maro ireo. Notohizana tamin'ny diabe nizotra nankeny amin’ny Havoria ny fandraharam-potoana taorian’ny seho tao ao amin’ny kianjan’ny hira gasy sy ny dihy mirindra teo anoloan'ny tranombikim-pirenena.

Manan-talenta ny mpandihy Malagasy

Efa manomboka miroborobo tanteraka ny dihy eto Madagasikara. Raha nanomboka tamin’ny dihy malagasy tsotra fotsiny teo aloha dia efa tafiditra tanteraka eto amintsika ny karazany hafa maro amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany ny « danse de sallon » isan-karazany, ny jazz, ny danse contemporaine », ny « danse urbaine » ary ny maro hafa. Ahitana ny salan-taona rehetra ity sehatra ity izay samy manana ny mampiavaka azy tsirairay. Efa afaka mifaninana amin’ireo mpana-talenta any ivelany ihany koa ao anatin’izany ary tena efa manana ny traikefany manokana mihitsy. Manana adidy hanandratra an’ny Madagasikara ireo mpana-talenta ireo. Izany indrindra no nandraisana ny lohahevitra hoe « mandihy misy tanjona anatin’ny fanandratana ny maha malagasy » nandritra izany fankalazana izany. Hitondra avo ny maha-malagasy ireo mpandihy ireo amin’ny alalan’io talentany io.

Hampahafantarina maneran-tany

Mpandihy miisa dimam-polo no nandray anjara tamin’iny hetsika iny saingy mbola maro ihany koa ireo tsy voatonona amin’ny karazana dihy samihafa. Noho izay fananana mpana-talenta tsy tambo isaina izay dia ho hampiroboroboana hatrany ity sehatra ity. Nanome toky, noho izany, ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina (MSK) mpisolo toerana, Rafaravavitafika Rasata nandritra io fankalazana io ny hanandratra izany. « Mahazo vahana ny mpandihy eto Madagasikara amin'izao fifandraisana misy eo Amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny sy MSK izao. Araka izany dia hampahafantarina manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny masoivoho eto amintsika ny talentan’ireo mpankafy ny dihy », hoy izy nandritra ny lahateny nataony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo