• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
DYI

Fomba fanamboarana « dentifrice » natoraly ao an-trano

06/05/2024 11:40 © Moov.Mg

Vokatra iray efa tsy zoviana amintsika intsony raha ny « dentifrice ». Manampy betsaka amin’ny fanadiovana sy fikolokoloana ny nify ny fampiasana azy. Efa moa ireo karazana vokatra hita eny an-tsena eny. Ho an’ireo maniry hanamboatra « dentifrice » mandaitra sy azo antoka ao an-trano dia ireto ary misy fomba karazany 3 hanaovana izany.

« Dentifrice » miendrika vovony (poudre)

Miavaka tokoa ity karazana « dentifrice » natoraly ity noho izy miendrika vovony. Tsy dia mila fangaro be dia be ihany koa ny fikarakarana azy. Tanimanga fotsy (argile blanche) 1 sotrokely, « carbonate de calcium » 3 sotrokely ary « huile essentielle de menthe poivrée » in-3 mitete no ilaina amin’ny fanaovana azy. Miaraka afangaro anaty boaty kely misarona izy rehetra ireo ary afaka tehirizina mandritra ny 3 volana.
Mikasika ny fampiasana azy indray dia andrarahana kely amin’ity « dentifrice » vovony ity eo amin’ny borosy nify ary izay no ampiasaina hikosehana ny nify. Tsy mandroatra moa izy io fa kosa mandaitra tsara amin’ny fanesorana ireo loto miraikitra amin’ny nify. Ahontsana tsara amin’ny rano ny vava rehefa vita ny fiborosiana nify.

« Dentifrice » natoraly vaingany (solide)

Karazana « dentifrice » tsy dia mahazatra ihany koa ity manaraka atoro eto ity noho izy miendrika vaingany. Ireto avy ny akora ampiasaina amin’ny fanamboarana azy : diloilo coco tsy mitapoka 10g, tanimanga maitso (argile verte) 7g, karibonetra 3g ary « huile essentielle de menthe poivrée » in-3 mitete. Tsotra ny fikarakarana azy.
Afanaina amin’ny alalan’ny « bain-marie » ny diloilo coco. Bataina rehefa mitsonika ary araraka ao ny tanimanga maitso, ny karibonetra sy ny « huile essentielle ». Aroharoana mandrapialan’ireo mitambaingana. Afindra anaty lasitra ny fangaro ary avela ho azon’ny rivotra mba ho maina sy hivaingana toy ny savony. Kosehana kely eo amin’io « dentifrice » vaingany io ny borosy nify ary izy io no hikosehana ny nify. Tsara raha lemana kely ny borosy nify vao akosoka eo aminy mba ahazo tsara ilay « dentifrice ». Kobanina tsara ny vava rehefa vita.

« Dentifrice » miendrika « pâte »

Ity no karazana « dentifrice » natoraly mifanakaiky endrika indrindra amin’ny « dentifrice » mahazatra antsika. Mila akora misimisy ny fanamboarana azy raha oharina amin’ireo natoro teo ambony. Ireto avy ary ny ilaina : tanimanga fotsy 20g, karibonetra 10g, jirofo vaoniny 3 natao vovony, « huile essentielle de menthe poivrée » in-2 mitete, rano 8ml.
Afangaro miaraka anaty « bol » kely ireo fangaro rehetra ireo ka ny rano no araraka farany mba ahazoana « dentifrice » miendrika « pâte ». Mitovy amin’ny fampiasana ny « dentifrice » mahazatra no fampiasa azy ity. Izany hoe asiana kely eo amin’ny borosy nify ary io no hikosehana ny nify. Asiana rano kely ao am-bava mba hampandaitra azy tsara. Rehefa vita dia ahontsana tsara ny vava.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo