• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny BAD : Laharam-pahamehana ny angovo sy ny fitaterana

06/05/2024 14:02 © Moov

Notanterahina tao amin’ny Novotel Alarobia ny tatitry ny vokatra amin’ny ampahany mahakasika ny « Document de stratégie pays (DSP) 2022-2026 sy ny revue de la performance du portefeuille pays (RPPP) 2024 izay nataon'ny BAD na ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana teto Madagasikara.

Nivoitra tamin’izany ny mahakasika ny angovo sy ny fitaterana ho fanohanana ny fivelarana ifotony izay sehatra roa noraisina ho laharam-pahamehana avokoa.

Fotodrafitrasa momba ny fitaterana

Anisan’ny sehatra iray tokony raisina ho laharam-pahamehana tanteraka ny manodidina ny fitaterana manerana ny Nosy. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ifotony sy fampandrosoana amin’ny ankapobeny manko ny fanarenana ireny fotodrafitr’asa ireny. Tamin’ity DSP 20222026 ity dia noraisin’ny BAD ho asa maika sy tsy maintsy natao izany fanarenana sy fanamboarana izany ka anisan’ny nandaniana ny fepotoana betsaka nandritra izay tapany voalohany tamin’ity tetik’ady ity izany. Efa nahafahana nanamboatra lalam-pirenena maro izay fotoana izay. Tafiditra tao anatin’izany ny lalam-pirenena RN9, mirefy 165 kilometatra (Km), ka ny 86 Km mampitohy an'Analamisampy sy Bevoay ary ny 80 Km mampifandray an'i Bevoay sy Manja. Tafiditra tao anatin’izany efa vita izany ihany koa ny tetezana miisa efatra teo anelanelan'Analamisampy sy Bevoay ary farany ny tetezana miisa dimy eo anelanelan'i Taolagnaro sy Ebakika, izay vinavinaina amin'ny faran'ity taona ity ny fahavitan'izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Projet d’ Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce PACFC » ireo asa natao sy mbola andalam-panatanterahana amin’izao fotoana ireo izao.

Angovo ho an’ny fampivelarana ifotony

Anisan’ny tetik’ady iray entin’ny BAD hampivelarana ny eny ifotony ihany koa ny mahakasika ny angovo. Fotodrafitr’asa mifandraika amin’ny angovo maro araka izany no efa vinavinaina ho vita. Ny fandriam-pahalemana, ny famoronana karazana asa ary ihany koa ny fampivoarana amin’ny ankapobeny, indrindra ny eny ambany vohitra no tombony azo aorian’ireny fotodrafitrasa momba ny angovo ireny. Nampifanandrifiana sy nampifanarahana amin'ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana (Politique Générale de l’Etat PGE) ihany koa izany asa rehetra izany. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny ny fanohanana ny fiovana ara-pambolena sy ny fampandrosoana ny indostrian'ny famokarana.
Anisan’ny hita nanatrika ary nanokatra izao famelabelaran-kevitra izao ny Minisitry ny Toekarena sy Fitatanam-bola sady Goverinoran'ny BAD, Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny Tomponandraikitry ny Firenena an'ny BAD, Atoa Amounmoun Adam.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo