• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana solombavambahoaka : Misokatra ny alarobia 8 may ny fampielezan-kevitra

06/05/2024 15:25 © Moov

Ny 8 may ka hatramin'ny 28 may ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ho an'ireo kandida depiote manerana ny Nosy.

Efa tamin'ny fiandohan'ny volana febroary lasa teo no fantatra ny fandaharam-potoana mikasika ny fifidianana solombavambahoaka eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity. Raha tamin'ny 6 aprily lasa teo no fara-fandraisana ny antontan-taratasy ho filatsahan-kofidiana, ny fampielezan-kevitra kosa dia ny 8 hatramin'ny 28 may 2024 amin’ny 00 ora.

Fisavana lalana

Heverina fa samy efa vonona avokoa ireo mpilatsaka ho fidiana rehetra, na ireo mpanohana ny fitondrana, na ireo avy amin'ny antoko mpanohitra, na ireo olon-tsotra mahaleo tena. Ny ankamaroan'izy ireo dia samy efa nihaona tamin'ny vahoaka avokoa, indrindra moa fa ny teto Antananarivo. Fihainoana ny vahoaka no tena nataon'izy ireo tamin'izany, mba hahafantarana ireo lalàna ilàna fanovana. Tsy vitsy kosa nefa ireo efa nampahafantatra ny nomerao ilatsahany amin'ny boriborintany na faritra misy azy. Nisy ireo nizara fanomezana, ao ihany koa ireo nanolotra fampiofanana isan-karazany. Nisy kosa nifantoka tamin'ny fangatahan-tso-drano tamin'ny vahoaka. Koa satria 10 tapitrisa ariary be izao ny anto-bola narotsaky ny kandida tsirairay, azo antoka fa samy hanao izay ho afany izy ireo amin'ny fandresena lahatra ny mpifidy. Iray isaky ny distrika moa ny depiote ho laniana, saingy mety ho roa izany, arakaraka ny habetsaky ny mponina.
Ho an'ny CENI manokana, efa nisy ny fampiofanana ireo hampiofana ny mpikambana ao amin'ny biraom-pifidianana sy ireo mpikambana ao amin'ny Sampana Mpanisa Vato (SRMV) ny 29 sy 30 aprily lasa teo.

Fampanarahan-dalàna

Ny alarobia 8 may ho avy izao izany, manomboka amin'ny 6 ora maraina, vao tena malalaka ireo kandidà solombavambahoaka amin'ny fidinana an-kianja. Mila fahazoan-dalana manokana hatrany ny fampiasana ireo kianja na toerana malalaka hamoriam-bahoaka, mba hisian'ny filaminana. Maromaro ireo antony mahavoasazy, toy ny kabary manohintohina ny filaminam-bahoaka, ny fanaratsiana manam-pahefana, ny fampiasana fitaovana na loharanom-bolam-panjakana sy ny fanerena entina hanovana ny safidin'ny mpifidy.
Ho an'ireo mpilatsaka ho fidiana, mpanohana, na olom-pirenena tsora, mety handoavana lamandy 1 000 000 hatramin'ny 10 000 000 ariary, ary mety hiafara amin'ny sazy an-tranomaizina, ny fandotoana na fandrovitana ny peta-drindrina momba ny fifidianana.
Tsiahivina fa ny alarobia 29 may no hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka, andro tsy fiasana nefa andraisan-karama manerana an'i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo