• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Sampana mpamonjy voina : Nankalaza ny faha-75 taona niorenany

06/05/2024 16:02 © Moov

Miisa 800 eo ho eo amin’izao fotoana izao ny isan’ireo mpamonjy voina raha 35 tany am-piandohana. Nanamarika ny faha-75 taona niorenany izy ireo ny sabotsy lasa teo tao amin’ny tobin’izy ireo ao Tsaralalana. Hetsika maro samihafa no nentina nankalazana izany. Tao anatin’izany ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy ny hetsika varavarana misokatra nahafahan’ny rehetra nahita sy nahatsapa mivantana ny asan’ireo mpamonjy voina.

Manakaiky vahoaka

Olona miavaka anisan’ny tena ilaina ny mpamonjy voina raha tsy hilaza afatsy ny famonoana afo sy ny famonjena ireo tranga tsy ampoizina eny anivon’ny fiaraha-monina eny fotsiny. Anisan’ny nanamarihana ny faha 75 taonan’izy ireo ny fanakaikezana ny vahoaka izay vonjena sy ampian’izy ireo. Nanatanteraka varavarana misokatra ho an’ny rehetra araka izany izy ireo ny zoma sy sabotsy lasa teo. Fotoana nentina nampahafantarana ireo mpitsidika rehetra ny fomba fiasan'ny Vondrona mpamonjy voina ary nanazavana amin'ny antsipiriany ireo fampitaovana izay azo avy amin'ny mpiara miombona antoka. Niaraka niaina mivantana ny fomba fiasan’izy rehefa mamonjy voina ireo mpitsidika. Nentina tamin’ny firaben’ny vondrona izy ireo nitety ny arabe teny Tsaralalana sy nandalo ny araben'ny fahaleovantena.

Asa soa

Azo lazaina ho asa soa ihany koa ny asan’ireto mpamonjy voina ireto izay manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy manoloana ny asa miandry azy ireo. Nentina nankalazana ity fetin’izy ireo ity ihany koa dia mbola nitoetra izay fanaovana asa soa izay. Nanomana hetsika fizaham-pahasalamana amin'ny ankapobeny, hetsika fanomezan-dra, fizahana nify sy aty vava maimaim-poana izy ireo tamin’izany. Anisan’ny mampiavaka azy ireo hatrany izany hetsika izany isaky ny fotoana toy izao.

Hiampy toby iray

Manana vinavina ny hametraka toby iray isaky ny boriborintany ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’ny tanànan’Antananarivo. Efa mizara amin’ny toby miisa dimy ireo mpamony voina eto Antananarivo rehetra amin’izao fotoana izao. Ny eo Tsaralalana ho an'ny boriborintany voalohany, ny eny Anosivavaka ho an'ny boriborintany fahenina. Ny eny Analamahitsy sy Andravoahangy no misahana ny boriborintany fahadimy sy ny boriborintany fahatelo ary ny eny Ankatso ho an'ny boroborintany faharoa. Araka izany dia ny eo amin’ny boriborintany fahaefatra no vinavinaina hahazo ny anjarany indray hahafahana mamonjy ara-potoana ireo loza mety hiseho.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo