• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasam-pitaterana : MROR, paik’ady vaovao hikojakojana ny lalana

07/05/2024 10:18 © Moov

Miharatsy ny lalam-pirenena. Efa azo lazaina ho ny ankamaroan’ny lalam-pirenena mihitsy no tafiditra ao anatin’izany. Hamahana izany olana izany indrindra no antony nikarohana paik’ady vaovao hahafahana mikojakoja sy manarina indray ireny lalana ireny. Notanterahana omaly tetsy amin’ny Motel Anosy ny atrikasa ho fampahafantarana ny tsenambaro-panjakana miompana amin’ny vokatra na « marché routier à obligation de résultat » (MROR).

Paik’ady misy tanjona mazava

Hevitra vaovao araka izany ity MROR ity hahafahana mantratra ny tanjona amin’ny fanatsarana indray ny lalam-pirenena. Miompana kokoa amin’ny vokatra sy ny kalitao avy amin’ny fifanaraham-barotra sy ny asa vita ity paik’ady vaovao ity. Mifanohitra amin’ny teo aloha izay ny habean’ny asa vita no jerena tamin’ny fifanaraham-barotra mahazatra. Araka izany dia ny vokatra sy ny kalitaon’ny asa no handoavana ny volan’ny orinasa mpanao lalana. Misy noho izany ny fanaraha-maso matetika ny asa niandraiketan’izy ireo eny amin’ny lalam-pirenena. Antenaina ny hiverenan’ny kalitaon’ny fotodrafitr’asa ho tsara sy aharitra amin’ny alalan’ity hevitra vaovao ity.

Faritra miisa 5 no voakasika

Faritra miisa dimy no hiasan’ny tetik’asa mandritra ity 3 taona voalohany, andrana sy fanombohana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Atsimo Andrefana, Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary Amoron’i Mania. Lalana voarakotra tara mirefy 259,5KM sy lalan-tany mirefy 149,53KM no ho voaray ao anatin’ireo faritra dimy ireo. Hatao tsy ho ela ny « appel à manifestation d’intérêt » ho an’ireo orinasa maniry ny hisitraka ny tsenambaro-panjakana MROR. Hizara roa mazava tsara ny asa miandry ireo orinasa izay mahazo ny tsena. Hiompana amin’ny famerenana ny lalana amin’ny laoniny ny voalohany ary mifantoka amin’ny fikojakojana sy fitazonana ny hatsaran’ny lalana mandritra ny faharetan’ny fifanarahana kosa ny faharoa.

Vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola

Tetik’asa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ity paik’ady vaovao ity. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa hoan’ny Fandrosoana Lovainjafy amin’ny Sehatry ny Lalana eto Madagasikara na ny PDDR, sy ny Tetikasa Mampifandray an’i Madagasikara hoan’ny Fivoarana Anatiny na ny PCMCI ity asa ity. Hiarahana miasa amin’ny Ministeran’ny asa vaventy ihany koa izy. Ny tena tanjona tamin’ity MROR ity moa dia ny hananana lalana maharitra sy ho afaka lovain-jafy. Marihina anefa fa tsy tafiditra ao anatin’izany ireo lalana izay tena efa simba ka mila fanavaozana tanteraka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo