• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
DYI

Fomba fanamboarana « confiture » voasary loranjy

07/05/2024 09:55 © Moov.Mg

Maro karazany ireo « confitures » hitantsika amidy eny an-tsena eny. Ny ankamaroan’izy ireny nefa dia ahitana « conservateurs » hitahirizana azy tsy ho mora simba. Ho an’ireo maniry hininana « confiture » natoraly tsy mitapoka dia atoro eto indray ary fanamboarana « confiture » voasary loranjy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « confiture » voasary loranjy

-Voasary loranjy 500g ;
-Siramamy 500g ;
-Rano 1L ;
-Vosary makirana 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ny voasary loranjy, tetehina manify miaraka amin’ny hodiny ary atao anaty « saladier » na koveta kely.
Araraka ao ny rano 1L ary avela hilona mandritra ny iray andro tontolo na adiny 24ora.
Rehefa tapitra izay fotoana izay dia afindra anaty vilany ary ampangotrahana mandritra ny 45 minitra amin’ny afo malefaka. Aoriana izay dia avela hilona mandritra ny 12 ora. Amin’io fotoana io no mifandra any amin’ilay rano ny ngidin’ilay voasary.
Ariana ny rano nampangotrahana ilay voasary loranjy. Ireo ventiny kosa potehina amin’ny « mixeur ». Tsy avela ho potsitra malemy fa atao potipotika fotsiny.
Afindra anaty vilany indray ireo voasary ary arotsaka ao ny siramamy sy ny ranomboasary makirana. Avy eo tanehana ambony afo malefaka mandrapaha marihitra ilay « confiture ». Tsy asiana rano intsony fa ilay izy avy nopotserina iny no tanehana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo