• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mbd Marketing
Image
Vaovao

Sehatry ny asa : Mihatsara ny fiarovana sy ny fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana

07/05/2024 18:54 © Moov

Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy androany teto amin’ny renivohitra ny andro manerantany ho amin’ny fiarovana sy ny fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana (sécurité et santé au travail SST). Fotoana iray io nahitana ny ezaka sy ny asa rehetra mbola miandry. Na izany aza anefa dia efa mahatsapa ny avy ao amin’ny ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana fa efa misy ny fivoarana eo amin’ny fampanajana izany.

Lohahevitra noraisina tamin’ity fankalazana ity ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny fiarovana sy ny fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana.

Ezaka eo amin’ny orinasa

Singa iray mampandroso ny orinasa ny fiarovana amin’ny loza sy ny fahasalamana ao anatin’ny orinasa. Efa mandroso amin’izany ny orinasa maro eto Madagasikara. Nanamafy izany rahateo ny ministry ny asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana raha nilaza fa efa maro ireo orinasa no nanaiky sy nanao ny sonia ny sata mifehy ity sehatra iray ity. Nosinganiny manokana ny sehatry ny fanodinana lamba izay mampiasa olona aman’arivony. Ilain’ireo olona ireo ny fiahiana ara-pahasalamana sy fiarovana azy ireo ka izay indrindra no maha-zava-dehibe ny fanaovana sonia ity sata ity. Ankoatra izany anefa dia efa nankatoavin’ny firenena malagasy ihany koa ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ity SST ity. Efa miandry ny fandalovan’izany eo anatrehan’ny antenimieram-pirenena sisa amin’izao fotoana izao.

Asa iaraha-mientana

Asa tsy vitan’olona iray ihany koa ity fampanajana ny aro loza sy fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana ity. Samy manana andraikitra amin’izany avokoa na ny fitondram-panjakana, na ny mpampiasa ary ihany koa ny mpiasa. Ireo telo ireo miray hina no hahafahana misitraka izany. Adidin’ny fanjakana no manentana ny mpampiasa hanomezany lanja ireo mpiasa amin’ny alalan’ny fanomezana fiarovana ireo mpiasany. Tamin’ity taona ity dia ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro no nomarihina ka ny fiarovana ny mpiasa mialoha no tena nanentanan’ny minisitra.

Fampiofanana

Tafiditra taoa anatin’ny fankalazana ity andro maneran-tany ity ihany koa dia efa maherin’ny arivo ny solontenan’ireo mpiasa eto Madagasikara no nampiofanin’ny OIT mahakasika ity sehatry ny fiarovana sy ny fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana ity. Tany Mahajanga no nanatanterahana izany fampiofanana izany ny herinandro lasa teo. Ny tanjona tamin’izany dia ny mba hahafahana manana toeram-piasana azo antoka sy azo hiainana mandritra ny fotoam-piasana. Andrasana amin’ireo nampiofanina ireo ihany koa ny mba hiadian’izy ireo mafy mahakasika izany rehefa miverina any amin’ny fiasany izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo