• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Cecs
Image
Vaovao

Fivondronamben’ny Eveka frantsay : Eto Madagasikara, hihaona amin’ny filoham-pirenena

10/05/2024 08:40 © Moov.Mg

Mitsidika an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ny Filohan'ny Fivondronamben’ny Eveka frantsay, Mgr Moulin de Beaufort. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina.

Fandaharam-potoana maro

Ny 8 mey teo no nigadona teto Madagasikara ny delegasiôna tarihin’ny Filohan'ny Fivondronamben’ny Eveka frantsay (CEF) sady Aresevekan’i Reims, Éric de Moulins-Beaufort. Mitsidika ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara izy, mba ho fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny Eglizy eto amintsika sy ny Eglizy ao Frantsa, izay efa nanana fifandraisana hatry ny faha-mpanjaka. Araka ny fantatra dia ny filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sady Evekan'ny diosezin'i Morondava, Mgr Marie-Fabien Raharilamboniaina no nanasa azy ho avy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fitsidihana ataon’ny CEF any amin’ny firenena maro, ho fanamafisana ny firaisankina sy ny firaisam-pon’ny fiangonana katôlika ihany koa izao dia izao, ka isan’ny efa firenena nalehan’ity delegasiônina ity ny tany Liban, Irak ary Ejipta. Amin’izao fandalovan’izy ireo eto Madagasikara izao dia hitsidika sy hihaona amin'ireo mpianatra ao amin’ny Université Catholique de Madagascar ity delegasiônina ity. Ny alahady 12 mey kosa dia hiaraka hanolotra ny Sorona Masina amin'ny fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa ho Evekan'i Miarinarivo ireo Eveka Frantsay. Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana ihany koa ny fihaonana amin'ny masoivoho frantsay eto Madagasikara sy amin’ny Filoha Andry Rajoelina.

Fifandraisana efa ela

Raha tsiahivina dia efa tany amin’ny taonjato faha# XVII no nisy ny fifandraisana teo amin’ny Eglizin’i Frantsa sy ny Eglizin’i Madagasikara, izany hoe : tamin’ny fotoana voalohany nahatongavan’ireo misiônera Frantsay teto amintsika mba hampiroborobo ny fivavahana kristianina. Araka ny fantatra ihany koa dia marobe amin’ireo Malagasy monina any Frantsa no olon’ny fiangonana, pretra, na frera, na masera. Araka ny fantatra dia i Madagasikara no firenena faharoa mampiasa misiônera ao Frantsa, aorian’ny Repoblika Demôkratikan’i Kôngô. Manodidina ny 200 isa izy ireo ankehitriny, araka ny antontan’isan’ny « Cellule-accueil », izay sampan-draharaha miandraikitra ireo mpiasan’ny finoana mifindra monina any Frantsa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo