• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Msp
Image
Vaovao

Fahasalamana : Haverina indray ny hetsika vaksiny faobe hiadiana amin’ny lefakozatra

10/05/2024 15:12 © Moov

Haverina indray ny hetsika vaksiny faobe hiarovana mialoha amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy. Ireo zaza 0 hatramin’ny 15 taona no hisitraka izany ny talata 14 may izao hatramin’ny 17 may.

Ankizy miisa 12 851 149

Mivelatra be indray ny tanjona ho tratrarina amin’ity taona ity. Miisa roa ambiny folo tapitrisa sy iraika amby dimampolo sy valon-jato sy arivo sy sivy amby efapolo ambi-zato (12 851 149) ireo zaza homena ity vaksiny ity raha ny amin’ity taona 2024 ity. Marihina moa fa hoanina ity fanafody ity ka hitety tokantrano, toy ny efa fanaony hatramin’izay ireo voairaka amin’izany. Ity no hetsika voalohany ho amin’ity taona ity ary mbola hitohy izany araka ny fandaminana izay karakarain’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hahafahana manatratra io tanjona io. Aretina azo sorohana mialoha ity aretina ity ary manana adidy amin’izany ny Ray aman-dReny ny hanaiky handray ireny mpanao vaksiny ireny hahafahana miaro ny ankizy tsirairay. Tokony sy tsy maintsy hatao ihany koa ity vaksiny ity satria ny taona 2023 dia tafiditra tao anatin’ny firenena betsaka zaza tsy vita vaksiny be indrindra i Madagasikara raha ny firenena teto Afrika.

Nihena ny trangana lefakozatra

Nahitana fihenana ny tranga na lefakozatra raha oharaina ny hatramin’ny taona 1988 hatramin’izao fotoana izao. Nihena hatramin’ny 99% izany amin’izao fotoana izao. Izany no nohamafisin’i Talem’paritry ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fahsalamana (OMS) eto Afrika nandritra ny fandalovany taty Madagasikara ny faran’ny taona 2023 teo. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fampihenana izany i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fomba fiasany ary tokony ho tazomina izany toerana izany. Araka izany dia manana tanjona ny hanafoana tanteraka ny lefakozatra eto Madagasikara ny mpiara-miombon’antoka tsitrairay sy ny ministera isan-tsokajiny any amin’ny taona 2028 any izay marihina fa efa azo ny taratasy manamarika fa ho afaka amin’ity aretina ity i Madagasikara amin’io taona io. Mbola maro anefa ireo ezaka miandry ka izany indrindra no anton’ny hetsika vaksiny mimaim-poana toy izao matetika izay azo heverina fa mbola hitohy hatrany izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo