• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

MNDPT : Hatsaraina ny fomba fizarana karinem-pokontany misy « code QR »

10/05/2024 15:18 © Moov

Nandritra ny fidinana an-tsehatra tany amin’ny Distrikan’ny Taolagnaro tany no nahatsapan’ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny maha zava-dehibe ny karinem-pokontany misy « code QR ». Noraisin’ny avy ao amin’ny ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoharana ny haitao ara-kajy mirindra (MPTDN) araka izany fanapahan-kevitra ny amin’ny fanatsarana ny fomba fahazoana ity karine ity.

Fanentanana faobe

Mbola maromaro ireo lesoka hita amin’ny tsy fananana ny karinem-pokontany misy « code QR » ary mbola maro ihany koa ireo tsy misitraka izany. Azo lazaina ho manamora ny fandaminana eny anivon’ny fokontany sy ny fiaraha-monina ihany koa anefa ny fananana azy ity. Raha ho an’ny Distrikan’ny Taolagnaro manokana ohatra dia ny fanentanana faobe ny mponina no paik’ady nentina tamin’izany. Fotoana iray natao hanangonana ny vahoaka eny ifotony amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitra izay nohamarinina izany. Hampidirina ao anatin’ny lisitra vaovao izay natsangana ireo latsaka ary hiroso amin’ny fanontana ireo karine ny MNDPT mba ahafahana mizara ireo karine amin’ny Vahoaka any an-toerana. Marihina fa rehefa samy manana izany karinem-pokontany izany avokoa ny tsirairay dia samy hisitraka ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Mazava ho azy fa hanamora ny fitsirihana ireo izay efa nahazo sy ireo izay mbola tokony hisitraka ireny fanampiana ireny ny fananana ity karine vaovao ity. Marihina fa mbola maro ireo faritra sy ireo fianakaviana no mbola tsy nisitraka izany.

Fanajana antanan-tohatra

Misy lamina tsy maintsy arahina amin’ny fizarana ny karine sy ny fanampiana ary ny fanontana ny lisitry ny mponina. Miara-miasa amin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny MNDPT amin’ny fanamboarana ny karine satria tsy maintsy miainga amin’ny fanamarinana ny lisitry ny tokantrano avy amin’ny lisitra omen’ny CENI ny fananana ny karine. Ireo vondrona itsinjaram-pahefana isan-tsokajiny no tompon’andraikitra feno amin’ny amin’ny fanamarinana ny lisitra amin’ny faritra misy azy tsirairay. Mandalo sampan-draharaha maro ihany koa ity asa ity izay minisitra telo no miara-misalahy amin’izany dia ny minisitry ny ati-tany, ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, ary ny MNDPT. Eo ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana, toa ny Governora, ny Distrika, ny Prefektiora, ny Ben’ny Tanana ary ireo sefo Fokontany. Araka izany dia tsy maintsy maiianga amin’ireo rehetra ireo ny fanamarinana ny fahazoana ny karinem-pokontany misy « code QR ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo