• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Ministère Du Tourisme
Image
Vaovao

Fizahan-tany sy asa tanana : Manohana an’i Madagasikara ireo mpamatsy vola

10/05/2024 15:26 © Moov

Nanatanteraka fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny Ministeran’ny fizahan-tany sy ny asa tanana androany ireo mpamatsy vola sy fitaovana. Ny tanjon’izany moa dia mba hahafahana manatsara hatrany ireo sehatra roa ireo sy hahafahana mampiakatra indray ny hari-karena faobe amin’ny alalan’izany. Maro ireo tetik’asa hanatsarana ny tontolo iainan’ireo sehatra ireo naroson’ity ministera ity ho an’ireo mpamatsy vola.

Sehatra tsy miankina

Hahazo tombony manokana amin’ity fiaraha-miasa ity ny sehatra tsy miankina. « Anisan’ny tanjona lehibe amin’izany fifanarahana izany ny hampitombo ny fampiasam-bolan’ny sehatra tsy miankina ka hampiakatra ny tarehimariky ny toe-karena amin’ny alalan’izany », hoy Joël Randriamandranto, minisitry ny fizahan-tany sy ny asa tanana. Maro ireo tetik’asan’ity ministera ity novelabelarina nandritra ity fotoana fifanaovan-tsonia ity ka maro araka izany ireo mpisehatra amin’ny tsy miankina no tapak’evitra. Anisan’ny azo notsongaina tamin’izany ny fifanarahana izay nosoniavin’ny WHH mahakasika ny fanodinana ny fako any an-tokantrano ho lasa angovo. Tao anatin’izany ihany koa ny GEFP izay hiara-hiasa amin’ity ministera ity amin’ny alalan’ny fanodinana ireo fako hatrany. Mbola maro ihany koa anefa ankoatra izany ireo asa nifanarahana tamin’ny sehatra tsy miankina hafa.

Fizahan-tany

Mameno ny maherin’ny 15% amin’ny harin-karena faoben’ny Madagasikara ny fizahan-tany, Isan’ny sehatra mampidi-bola betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana aorian’ny hetra sy ny fadin-tseranana izy ity. Nisedra olana anefa ity sehatra ity nandritra ny covid-19 izay nampikatona ny habakabaka. Saingy efa misy ny ezaka amin’izao fotoana izao, hahafahana mamerina mampiroborobo izany, amin’ny alalan’ny fizahan-tany anatiny. Politika maro ihany koa no efa napetraka toy ny fananganana fotodrafitr’asa mifanaraka amin’ny filàna anatiny. Nanamafy hatrany araka izany ireo mpamatsy vola sy fitaovana fa mbola vonona ny hanatsara hatrany ity sehatra ity. Anisan’ny niavaka tamin’izany ny fananganana trano fandraisam-bahiny (chambre d’hôtes) miisa 600. Handray anjara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ministera ao anatin’izany ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpiasa mety ho raisina. Mifanaraka amin’izany ihany koa ilay tetik’asa « ndao hizaha an’ny Madagasikara » sy ny fananganana ireo zaridaina isan-karazany. Ilaina fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro avokoa izany rehetra izany. Eo ankilan’izany ihany koa anefa ny fampidirana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny tontolon’ny fizahan-tany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo