• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Madagascar Trips And Pics
Image
Vaovao

Mpanjaka Kamamy Magloire : Ny zoma 17 mey no hanitrihana ny razana, araka ny fomba Sakalava

10/05/2024 15:28 © Moov.Mg

Ny 17 mey izao no hanatanterahana ny fanitrihana ny Mpanjakan’ny Sakalavan’i Menabe, Kamamy Bertin Magloire, niamboho ny 7 mey teo, teo amin’ny faha-83 taonany. Hatao manaraka ny fombafomba Sakalava ny fanatanterahana izany.

Fiambenana 7 andro

Nentina androany nankany amin’ny Distrikan’i Belo amoron’i Tsiribihina, misy ny toerana hanitrihana azy, ny vatana mangatsiakan’ny Mpanjakan’ny Sakalavan’i Menabe, Kamamy Bertin Magloire. Misy moa ny fombafomba tanterahina rehefa folaka toy izao ny olobe iray, ao amin’ny foko Sakalava. Vao niamboho izy, tao Morondava, dia nisy ny fanapoahana basy, raha antsiva no tsofina, araka ny fanao mahazatra hatramin’izay. Haharitra 7 andro ny fiandrasana, na fiambenana, teo am-bohitra ny nofo mangatsiakany. Mandritra izany fotoana izany no hanaovana antsa mampiavaka ny foko Sakalavan’i Menabe. Mandritra io fito andro io ihany koa no fanatanterahana ny famangiana, ataon’ny fianakaviana sy ireo zana-poko Sakalava, hoy ny fanazavan’ny zanaka lahin’ny Mpanjaka, Kamamy Fleurys Magloire. Amin’ny fotoana famangiana dia misy ireo mitondra fanatitra, toy ny omby sy ny toaka.

Hapetraka amin’ny toerana manokana

Araka ny fomba ihany koa dia tsy avy hatrany dia apetraka ao amin’ny zomba, toerana natokana hametrahana ny Olobe manan-kasina, ny nofo mangatsiakan’ny Mpanjaka Kamamy Bertin Magloire, fa misy toerana manokana ao an-tanàna hanitrihana azy aloha, mandritra ny herintaona, izay vao hapetraka ao amin’ny zomba, izay hipetrahany mandrakizay. Amin’ny 17 mey no hanatanterahana izay fanitrihana voalohany izay, ao amin’ny Fokontany Mahavelonarivo Tsianihy, any amin’ny distrikan’i Belo amoron’i Tsiribihina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo