• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Apipa
Image
Vaovao

Fanadiovana : mitohy ny asa fanalana tsikafona ataon’ny APIPA

10/05/2024 16:29 © Moov

Afaka tanteraka tamin’ny vanim-potoan’ny orana isika eto Madagasikara raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro. Ho fanadiovana ny tanàna sy fiomanana sahady amin’ny mety ho loza anefa dia mitohy hatrany ny fiarovana ny mponina amin’ny fiakaran’ny rano. Niverina nanomboka omaly indray ny asa fanalana tsikafona manerana an’ny Antananarivo ataon’ny APIPA.

Fiomanana mialoha

Ny asa fanadiovana sy fanalana tsikafona dia efa anisan'ireo asa fototry ny sampan-draharaha misahana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano na ny APIPA. Izany no atao dia mba hahafahana mampikoriana tsara ny rano sy tsy hisian'ny fiakaran'ny rano any anaty tanàna rehetra any. Izao asa fanadiovana ny lakan-drano atao amin’izao fotoana izao io dia efa fiomana amialoha sahady amin’izay mety ho tondra-drano mety handalo. Na eo aza izany asa mandeha rehetra izany dia manentana hatrany ny APIPA ny amin'ny mba tsy hanariana fako eny anatin'ireny lakan-drano ireny mba tsy hisian'ny fitohanan'ny rano ka hiteraka voka-dratsy amin'ny fiainana andavanandron'ny mponina. Samy manana andraikitra amin’izany ny tsirairay ary tokony hifampiteny ihany koa ao anatin’izany.

Asa stratejika

Miroso amin'izany asa lehibe izany ankehitriny ny APIPA sy ny ekipa rehetra, indrindra amin'izao fotoana tsy hisian'ny orana izao mba hiomanana mialoha sy hiarovana ireo mponina eny amin'ny faritra iva, ka nanombohana azy ny teny Andranobevava Marais Masay bassin nord mba hahafahana mampikoriana tsara ny avy any amin'ny faritra atsinanana, Andravoahangy, besarety, sns. Natao Ihany koa ny eny Anosy sy Ambodimita mba ahafahana misintona ny avy amin'ny canal C3 sy Andriantany sy ny manodidina azy rehetra. Izao asa izao dia efa tafiditra sahady amin'ny fandaharana fiomanana mialoha rehetra hiandrasana ny fahavaratra manaraka. Tafiditra ao anatin’ny asa stratejika izany asa atao izany satria mitana ny anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny mponina amin’ireo loza isan-karazany.
Raha tsiahivina dia tsy nisy ny tondra-drano sy ny fiakaran'ny rano be teto Antananarivo nandritra ny roa taona nisesy izay, na dia nisy aza ny oram-be sy ny rivo-doza izay nitondra rotsak'orana be teto Antananarivo. Ny Antony dia noho ny fametrahana ho laharam-pahamehana ireo asa fanadiovana ireny lakan-drano vaventy ireny mialohan’ny fotoana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo