Moov Madagascar (www.moov.mg)


Androndra : Tsy tontosa ny fanafihana
10-01-2017 / 08:43
Aminíny ora anoratanay dia mbola mitohy ny savahao ataoníny pŰlisiníny UIR eny Androndra. Ny trano noahiahiana dia nosavaina ary torakíizany ihany koa ny kizo ahiana ho fiereníny jiolahy.

Ny sabotsy maraina teo dia nisy roa lahy saroníny pŰlisy niaraka taminíny basy roa. Nilaza izy ireo fa mbola misy namany hafa miriaria any an-toeran-kafa miaraka aminíny basy. Nanomboka ny ampitsoníio dia efa nisy ny fanaraha-maso akaiky natao ary nipoitra tokoa ny telolahy hafa. Raikitra ny fifanenjehana ny harivaníny omaly ary tafiditra hatrany anaty tokotaniníolona ireo jiolahy.

Raikitra ny fifampitifirana teo ary lavo ny iray taminíizy ireo. Nitohy hatrany ny fifanenjehana ka tokony ho taminíny valo ora alina dia mbola nisy iray voasambotra hafa indray. Ny iray kosa mbola nifampitadiaviana eraky ny tanŗna. Raha ny fantatra dia mbola saika hanatontosa fanafihana teo Androndra ireo olona ireo omaly no nifanehatra tampoka taminíny pŰlisy.

D.R
© Midi Madagasikara