Moov Madagascar (www.moov.mg)


Androndra : Mbola misy jiolahy roa mitam‐basy miriaria
11-01-2017 / 08:57
Efatra no efa voasambotra ary basy telo no azo niaraka tamin段zy ireo. Na izany aza anefa dia mbola misy lehilahy roa karohina ary miaraka amin地y basy izy ireo.
Izay no fantatra momba ilay fifampitifirana tetsy Androndra, ny harivan地y alatsinainy teo. Raha araka ny fanazavana azo dia tao anatin地y fiara Peugeot 309 iray no nisy ireo roa lahy. Fetsy izy ireo satria nasiany zaza amam-behivavy tao anatin段lay fiara. Izany dia entina hanasarotana ny fisamborana azy ireo, indrindra rehefa raikitra ny fifampitifirana. Mazava mantsy fa tsy maintsy hitandro ny ain段reo vehivavy tsy manan‐tsiny ny mpitandro ny filaminana rehefa ao anatin地y fifanandrinana.

Ny alatsinainy teo, raha raikitra ny fanenjehan ny plisy azy ireo dia nanapa‐kevitra ireo jiolahy ny nanajanona ny fiara teo amin地y arabe ary nitsoaka niditra tany anelakelan‐trano tao Androndra. Nanjavona tanteraka hatreo, toa efa hain段reo tsianjery angamba ny toerana rehetra fitsoahana ao an‐toerana.
Fantatra koa ankehitriny fa jiolahy mbola tsy nahavita sazy avokoa izy ireo ary tokony ho any am-pigadrana.

Mipetraka hatrany ny fanontaniana rehetra mitranga ny toy izao hoe iza indray ny mpanao kolikoly nataon段reto jiolahy ireto lamosina. Efa im-betsaka ny mpitandro ny filaminana no manao fitarainana momba izany, satria ny ankamaroan段reo jiolahy efa fanta‐daza izay nahavita heloka bevava dia toa mpamerin‐keloka avokoa ary tsy vitan段zany fa tsy nisy nahavita sazy hatramin地y farany mihitsy. Iza ihany ary izany no mamoaka azy ireny? Sao dia mba izany no tokony hosamborina voalohany?

D.R
© Midi Madagasikara