Moov Madagascar (www.moov.mg)


Bazary be : Saika zava-doza noho ny herinaratra nitselatra
20-03-2017 / 08:08
Setroka mainty be nivoaka tamin地y tranon'ny karana, izay fipetrahana ny ao ambony raha fivarotana ny ao ambaniny, no nampikoropaka ny rehetra, izay nitranga ny sabotsy tolakandro teo
Tsy nisy nanampo na inona na inona ny rehetra fa ny setroka mainty be nivoaka tamin段ty trano karana, izay fipetrahana ny ao ambony raha fivarotana ny ao ambaniny, no nampikoropaka ny rehetra, izay nitranga ny sabotsy tolakandro teo. Avy hatrany dia ny fiantsoana mpamonjy voina sy hain-tranon地y kaominina, izay haingana ihany ny fahatongavany, no nataon地y tompon-trano sy ireo mpivarotra manodidina rehetra. Raha nataon地y mpamonjy voina ny fanadiadiana tao amin段ty trano misy fivarotana an地y karana tao Bazary be 途ue amiral billard ity, dia resaka herinaratra nitselatra tao an-trano no nahatonga ny fiherehetana, soa fa mbola tsy nahazo ireo fitaovana mora miheritra tao an-trano ny afo nahatonga ny setroka mainty be naterany aloha.

Ho an地y tompon-trano anefa dia tsy nazava tamin段zy ireo ny fitselaran地y herinaratra nitranga, satria manana ireo fitaovana rehetra hahafahana mijery sy misoroka izany izy ireo. Ho an段reo trano sy tranom-barotra mifanakaiky sy mifanety amin段ty trano nirehitra ity dia voasoroka ny zava-doza saika niseho, satria raha nisy kely monja dia tranom-barotra sy trano fonenana tsy latsaky ny am-polony no may kila hatramin段reo entam-barotra. Ankoatra izay, dia nanao ny fiarovana ireo tranom-barotra manodidina noho ny fitangoronan地y olona ny polisim-pirenena, nisorohana ny mety ho fanararaotana ho an地y sasany, izay voatery nanapahana ny lalana manoloana ireto tranom-barotra manodidina ilay trano nirehitra. Adiny roa teo ny zava-nisy tamin段zay hain-trano voasoroka mialoha saika nitera-doza goavana tao Bazary be 途ue amiral billard ny sabotsy tolakandro

Malala Didier
© Midi Madagasikara