• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Rustica
Image
DYI

Fikafika tsotra hitehirizana ny voankazo sy ny legioma

02/02/2024 09:14 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo tokantrano manao « provisions » ny sakafo hoanina mandritra ny herinandro. Isan’ireo sakafo mora simba nefa ny voankazo sy ny legioma. Atoro eto ary ireo fikafika tsotra ahafahana mitahiry azy ireny mandritra ny fotoana maharitra kokoa.

Tsy atao anaty vata fampangatsiahana daholo ny voankazo sy ny legioma rehetra

Fahazarantsika ny mampirina ny voankazo sy ny legioma anaty vata fampangatsiahana mba hitehirizana azy ireny. Marihana nefa fa misy amin’izy ireny no tsy mahazaka hatsiaka ka vao maika lasa lozitra na koa very ny tsirony. Anisan’izany ny voatabia, ny tongolo, ny akondro, ny zavoka… Maharitra kokoa izy ireny rehefa apetraka amin’ny toerana mangatsitsiaka, maloka sy maina. Atsofoka anaty vata fampangatsiahana kosa nefa izy ireny raha toa ka efa novoasana na notetehana nefa mbola tsy ampiasaina.

Esorina ireo ravina amin’ny legioma

Vao tonga ao an-trano dia esorina na tapahana avokoa ny ravina amin’ny legioma toy ny karaoty, « radis », « betteraves » … Manary ny rano amin’ireo karazana legioma ireo tokoa mantsy ny raviny. Lasa malemy sy lozitra izy ireo rehefa very ny rano ao anatiny. Rehefa afaka ny ravina dia azo apetraka fotsiny amin’ny toerana maina, mangatsitsiaka ary tsy azon’ny masoandro ireo karazana legioma ireo.

Apetraka anaty fitoerana misy sarony ny legioma

Tsara raha apetraka anaty fitoerana misy sarony ny legioma rehefa tonga ao an-trano. Avela somary misokasoka kely ilay sarony fa tsy atao mihidy be loatra. Hijanona mikarepoka ary tsy ho lozitra ny legioma rehefa tehirizina toy izay. Tsy mila atao anaty fitoerana kosa nefa ny legioma toy ny laisoa sy ireo legioma avy ao ambanin-tany satria tsy miova izy ireny raha avela mipetraka fotsiny eo aza.

Ampirimina tsy sasana ny salady sy ireo maintsomaintso

Anisan’ny legioma mora lozitra sy simba tokoa ny salady sy ireo karazana maintsomaintso toy ny « persil », « céleri », kotomila… Mba hitehirizana azy ireny mandritra ny fotoana maharitra kokoa dia tsy sasana izy ireny fa tonga dia fonosina anaty lamba mandomando sy fonosana (sachet) mihidy tsara alohan’ny ampirimana azy anaty vata fampangatsiahana. Rehefa ampiasaina mihintsy vao sasana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo