• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Le Blog Easypara
Image
DYI

Fomba natoraly hanesorana ny angadrano

29/02/2024 13:52 © Moov.Mg

Toe-javatra isan’ny manahirana sy mahamenatra tokoa ny fisian’ny angadrano. Samy mety hanana izany olana izany avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy. Fa inona tokoa ny antony mahatonga ny olona misy angadrano ary inona ny fomba natoraly hanesorana azy ireny ?

Ireo antony mety mahatonga ny olona hisy angadrano

Ny angadrano, antsoina hoe « pellicules » amin’ny teny frantsay, dia ireo zavatra fotsifotsy miseho eo amin’ny volo sy amin’ny hodi-doha. Mangidihidy, manelingelina, mihintsana amin’ny akanjo ary manaratsy endriky ny volo ny fisian’izy ireny. Misy karazany roa moa ny angadrano :
-Ny « pellicules grasses » dia ireo angadrano matevina sy miraikitra be eo amin’ny hodi-doha. Ny famokaran’ny hodi-doha « sebum » na menaka be loatra no mahatonga azy ireny. Ny olona manana karazam-bola mora mitera-menaka na « gras » moa mahazana no misy azy ireny. Ny fikorontanan’ny « hormones », ny aretin’aty, ny sakafo tsy voalanjalanja, ny rarin-tsaina na ny tsy fahampian’ny fahadiovan’ny hodi-doha (rehefa manasa loha) no mahatonga ny « pellicules gras ».
-Ny « pellicules sèches » dia ireo angadrano maina, miofakofaka sy mamovobovoka mipoitra amin’ny hodi-doha ary mora miparitaka amin’ny volo. Ny fahamainana sy ny tsy fahampiana rano eo amin’ny hodi-doha no mahatonga azy. Ny olona manana karazam-bolo maina no tratry izany. Ny tsy fahampiana rano amin’ny hodi-doha, fampiasana vokatra (produits) tsy zakan’ny hoditra, ny volo ratsy kobana ary ny loto entin’ny rivotra no mahatonga izany.

Ireo fikafika natoraly hanesorana ny angadrano

Amin’ny ankapobeny dia tsy misy atahorana amin’ny fahasalaman’ny volo sy ny hodi-doha ny fisian’ny angadrano. Noho izy ireny mangidihidy sy mahamenatra no antony ilaina ny anesorana azy. Misy ireo fomba natoraly afaka anaovana izany :
-Afangaro ny diloloilo coco 2 sotro sy ny ranona voasary makirana 1 sotro ary io no ahosotra amin’ny hodi-doha. Somary orina kely ary avela hilona mandritra ny 30 minitra avy eo sasana toy ny mahazatra ny loha ;
-Afangaro ny rano tapaky ny vera sy ny sira 2 sotra. Io fangaro io no araraka amin’ny hodi-doha dia kosehana kely alohan’ny hanasana ny volo amin’ny « shampoing » ;
Mba ampandaitra tsara ny fanesorana ny angadrano amin’ny fomba natoraly dia tsara raha manao « gommage » ny hodi-doha indray mandeha isan-kerinandro. Afaka mampiasa taikafe afangaro amin’ny menaka oliva na siramamy sy tantely hanaovana ny « gommage ». Tsy adinoina ny misotro rano 1,5 litatra isan’andro farafahakeliny mba hanomezana rano ny vatana sy ny hodi-doha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo