• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Académie Des Facialistes
Image
DYI

Vokatra natoraly hisorohana ny tarehy miroraka sy be kentrona

05/03/2024 16:25 © Moov.Mg

Fanirian’ny ankamaroantsika ny hanana tarehy tanora lalandava, tsy miroraka ary tsy misy kentrona. Marina fa efa misy ireo vokatra novokarin’ireny « laboratoires » lehibe ireny hikolokoloana ny hodi-tava ho tanora lalan-dava. Tsy voatery mividy ireny vokatra misy akora simika sy lafo vidy ireny anefa azo atao tsara ny mampiasa vokatra natoraly karakaraina ao an-trano.

Ireo antony mahatonga ny tarehy hiroraka sy ho be kentrona

Maro ireo antony mahatonga ny hodi-tava hiroraka sy ho be kentrona. Matetika moa izy ireny dia vokatry ny fahazaran-dratsy amin’ny andavanandro toy ny tsy fahampiana vitamina, tsy fanasana tsara ny tarehy, tsy fahampiana torimaso… Ny tsy fahampiana rano ihany koa dia isan’ireo antony lehibe mahatonga ny hodi-tava tsy halefaka intsony ka manjary lasa miroraka sy mikentrona.
Mba ahatanora lalandava ny tarehy dia zava-dehibe mila tandrovana ny fanamandinana azy. Maro ireo fomba natoraly azo ampiasaina mba hanomezana rano sy hanamandinana hatrany ny hodi-tava. Anisan’ireo mandaitra ary tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny hoditra ny vokatra natoraly azo avy amin’ny tapotsin’atody sy ny « yaourt nature ».

Ny fikarakarana ny vokatra natoraly maha tanora lalandava ny hodi-tava

Ireo akora ilaina
-Tapotsin’atody 2 ;
-« Yaourt nature » na tsy misy siramamy 1 sotro fihinanana.
Kapohana anaty « bol » ny tapotsin’atody. Rehefa mihafotsy dia arotsaka ao ny « yaourt nature ». Atao mifangaro tsara. Tsara raha mampiasa « fouet » mba hampitambatra tsara ireo akora.
Alohan’ny ampiasana azy dia sasana madio tsara ny tarehy. Rehefa maina dia ahosotra atao manify amin’ny tarehy manontolo ilay vokata natoraly.
Avela hilona eo mandritra ny 30 minitra eo ho eo. Rehefa maina tsara ilay fangaro dia kobanina amin’ny rano matimaty. Averina in-3 isan-kerinandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo